airtel

Fifamoivoizana

17-févr-2026

AMPASANIMALO

Lehilahy voadonan'ny moto nentina vazaha

Sample post image

Nitrangana lozam-pifampivoizana

17-févr-2026

omaly Alatsinainy 16 Febroary hariva teny amin'ny hopitaly mpitsabo mikambana Ampasanimalo. Lehilahy iray hiampita ny arabe no nofaohana moto nentina teratany vahiny iray. Nipitika teo amin'ity fiara izay nijanona teo amoron-dalana ilay lehilahy raha ny fitantaran'ireo nanatri-maso. Tsy tafatsangana ity farany vokatr'izany ka nifamonjen'ny olona. Ankoatra izay dia naratra mafy nivoa-drà ny sofiny hoy hatrany ireo nanatri-maso. Nentina avy hatrany tao amin'ny Hopitaly mpitsabo mikambana moa ilay marary, raha efa tonga teny an-toerana koa ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana. Vaovao azo ihany moa no nahafantarana fa nandeha mafy ilay tera-tany vahiny ka tsy tafajanona, antony nahatonga ny loza.
Nangonin'i Pati
Légende : Potikabe tahaka izao ilay moto !
 

Dans la même rubrique