hoy ny fitarainan’ny mponina. Vavy antitra iray indray mantsy omaly Alahady 03 Martsa no maty voahitsak’izy ireny raha nandeha an-tongotra moramora tamin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Ho any Antananarivo ilay fiara vaventy io raha tao Ampasimpotsy, 2 km avy ao Fanandrahana Toamasina kosa no nitrangan’ny loza. Nifatratra tamin-javatra moa ilay kamiao rehefa niala ity Renim-pianakaviana ity. Naratra mafy vokatr’izany ilay mpamily sy ny mpanampy azy raha namoy ny ainy kosa ilay Ramatoabe. Nohamafisin’ireo nanatri-maso ny loza moa fa misy amin’ireo mpamily fiara vaventy mampiasa ny lalam-pirenena faharoa no tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana akory nefa tena mandeha mafy tokoa. Miantso ny tompon’andraikitra mba hanara-maso akaiky izany tranga izany izy ireo ho fitandroana ny ain’ny mpandeha an-tongotra. Mahatratra 10 isan’andro moa eto amintsika ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana raha tsiahivina.
Pati
Legende : Ilay Renim-pianakaviana namoy ny ainy efa nitangoronan’ny olona !
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»