airtel

Fifamoivoizana

10-juin-2025

ANDRANOVELONA-RN1

Mpitondra moto tra-doza hita faty

Sample post image

Mpitondra moto iray no namoy ny ainy vokatry ny loza nahazo azy ny Alahady 08 Jona

10-juin-2025

lasa teo tokony ho tamin'ny 03 ora folakandro tany amin'ny RN1 Bis PK 66+900, fiolahana afaka ny tetezana ao Mandaheloka Fokontanin' Andranovelona. Efa namoy ny ainy ilay ranamana vao hitan'ny sefom-pokontany ao an-toerana ka ity farany no niantso ny zandary miasa ao Ampizarantany. Raha araka ny fantatra dia tsy tafavily ilay mpitondra moto fa nidòna tamin'ny "talus" ka niakatra tany ambadika ambony takona. Lehilahy 38 taona monina ao Tsiroanomandidy moa ity namoy ny ainy ity. Ho hentitra tanteraka moa ny zandarimariam-pirenena amin'ny fisavana ny fahazoan-dalana mamily kodiaran-droa ka ho giazana avokoa ireo tsy manana na tsy nitondra izany.Hajanona avy hatrany koa ireo voasava ka voamarina fa misy tahan'alikola mihoatry ny azo ekena eo am-pamiliana.
Pati
Légende : Misy hatrany ireo loza ateraky ny moto eto amintsika !

 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap
04-mars-2026

Napetraka ny laharam-pahamehana sy ny tondrozotra

Card image cap