airtel

Fifamoivoizana

26-août-2026

ASA FANAMBOARANA NY RN1-BIS

Efa tonga eo amin'ny PK 43 ny asa

Sample post image

Mizotra tsara hatreto ny asa

26-août-2026

fanamboaran-dàlana mampitohy ny distrikan'i Tsiroanomandidy amin'ny Maintirano tanterahin'ny Jenia Miaramila. Nidina ifotony nijery ny fizotran'ny asa tany an-toerana ny Jeneraly Pikulas DÉMOSTHÈNE Lehiben'ny Etamazoron'ireo Tafika, andro vitsy lasa izay. Fanaraha -maso ny fomba fiasa sy fanomezana toromarika enti-manatsara sy manafaingana ny asa eny an-kianja no nataon'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny tafika tamin'izany no sady nampahery ny ekipa ihany koa.Raha ny vaovao azo dia miroso tsara ny asa ary efa any amin'ny PK 43 izy amin'izao. 4 ka hatramin'ny 5 volana eo ho eo no fe-potoana hanenjehan'izy ireo ny fanamboarana ireo "Point noir" tena nampikolay ireo mpampiasa iny làlana Tsiroanomandidy Maintirano iny izay mirefy 400 Km eo ho eo. Làlana tsy nisy nikitika sy nanamboatra mihitsy hatramin'izay io lalana io raha tsiahivina ka nanosika ny Fitondrana Fanavaozana nandray fanapahan-kevitra lehibe ny hanamboatra azy io amin'ny alàlan'ny Jenia Miaramila. Lalana maro ankoatra ity lalana ity moa no fantatra fa mbola hoamboarina sy hanaovan'ny Fitondram-panjakana ezaka hanalana fahasahiranana ny mponina.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fanaraha-maso ny asa vita !
 

Dans la même rubrique