Sabotsy 25 Janoary tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Fiara fitateram-bahoaka iray mampitohy an'Antsirabe sy Mandoto no namoa-doza teo amin’ny lalam-pirenena faha-34, PK 66 + 100 Bemasoandro Fokontany Ankazomiriotra II, kaominina ambanivohitra Ankazomiriotra Distrikan’i Mandoto.Vokatry ny olana ara-mekanika dia nivoaka ny arabe vita tara ny fiara ka nandona mpandeha tongotra iray ary tafajanona teo amin'ny sisin-dalana ankavia. Namoy ny ainy vokatr’izany io mpandeha an-tongotra iray izay fantatra fa lehilahy iray vao 57 taona. Tapaka ny tongony, ny lamosiny ary ny vozony. Notanana natao famotorana ny mpamily ilay fiara ary hatolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity, hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Teto ilay toerana nitrangan’ny loza !
Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV
Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,