Zava-dehibe noho izany ny fikojakojana sy fanamboarana azy. Azo atao tsara ny manamboatra ireo lalan-dratsy eto an-drenivohitra, tsy voatery hoe handany vola be kanefa vita tsara kalitao. Misy ny orinasa malagasy manana traikefa efa am-polotaonany mahavita tsara ny asa. Na io atao rarivato na atao tara arakaraky ny toetr’ilay arabe sy ny toerana misy azy dia azo tanterahana tsara, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina izay tonga teny amin’ny Vato be 67 ha ny alakamisy alina teo niaraka tamin’ny teknisiana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy nijery ny zava-misy.
VOLA BE NO MIVOAKA, RATSY ANEFA NY ASA VITA
Nojerena hoe aiza no simba, natao ny fandrefesana. Tsy mampanantena tsy misy isika fa rehefa zavatra notenenina dia atao, hoy i Tahina Razafinjoelina.Tsara ho fantatra hoy ny fanazavany fa tsy voatery hoe handany vola be vao mahavita lalana tsara . Mety ho ny 1/5 n’ny vola naloa aza no saran'ny fanamboarana. Ny resaka nifanaovana tamina teknisiana malagasy matihanina amin'ny fanamboaran-dalana, hoy i Tahina Razafinjoelina no nahafantarana fa 50 000 Ar ny manamboatra ny arabe 1m² amin’ny rarivato raha toa ka 7000 ar izany raha rakofana tara (goudron) . Azo heverina mihitsy aza hoe 1/10 amin’ny vola lany amin’ny fanamboaran-dalana amin'izao fotoana no ahavitantsika ny lalana. Nanindry mafy tamin'ny resaka nataony tamin'ny mpanao gazety ity kandida ben'ny tanàna eto an-drenivohitra ity fa be loatra , tena mihoapampana ny vola mivoaka amin'ny kitapom-bolam-panjakana lazaina fa hoe hanamboaran-dalana. Lasa fandanindaniam-poana ary ny tena loza aza dia tsy misy herintaona akory dia io fa misy lavaka sahady ilay arabe.
ALEO AMBOARINAY
Aleo hitam-poko hitam-pirenena hoe azo atao amin’ny vidiny mora dia mora ilay asa, hoy izy sady tsara kalitao anefa ka noho izany tsy tokony hisy lavaka mihitsy eto Antananarivo. Izany no anton'ny fidinana ifotony natao .Nilaza moa i Tahina Razafinjoelina fa apetraka eny amin'ny manampahafena ny fangahatahana mba ahafahana miroso amin'ny asa fanamboaran-dalana. Misy ny orinasa Malagasy mahavita tsara io asa io hoy izy.
SAMY MANANA NY ASANY IO
Fa anisan'ireo mpiara-miasa akaiky amin'i Tahina Razafinjoelina tazana teny amin'ny Vatobe 67ha ihany koa tamin'io alakamisy alina io i Hajo Andrianainarivelo izay efa praiminisitra lefitra, minisitra ary ben'ny tanàna. Aoka hazava fa tena asana ben'ny tanàna mihitsy izao asehobizao, hoy izy. Ny kaominina no mikolokolo sy manamboatra ny lalana ao aminy ary misy tetibola avy any amin'ny fanjakana foibe hanampiana ny kaominina. Tsy asan'nyy filoham-pirenena, tsy asan’ny minisitra ny hoe mitety kaominina ka hanamboatra lalana hoy i Hajo Andrianainarivelo fa asan'ny ben’ny tanàna izany Mahafinaritra anay, hoy izy ny mahita hoe tonga dia fantatry ny kandida tohananay ny asa tokony ataony rahatrizay voafidy ho ben'ny tanàna izy. Atao izao hetsika izao hoy izy ho fanairana ny fanjakana ihany koa hoe omeo ny tetibola sy ny fitaovana ahafahan’ilay ben’ny tanàna miasa.
RTT
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»