eto Antananarivo mba tsy hiasa ny talata izao noho ny fiverenan'ny fanasaziana ataon'ny DTMU (Direction des Transports et de la Mobilité Urbaine) miaraka amin’ny Polisy monisipaly izay ambaran’izy ireo fa tsy ara-drariny loatra ny sazy sy ny fanidiana fiara eny Anosipatrana. Hisy fanapahan-kevitra ho raisin'ireo taksibe ho entin'izy ireo eo anatrehan'ny Filohan’ny delegasionina manokana na ny PDS eto Antananarivo. Miantso firaisankina ireo taksibe na ny eto Antananarivo renivohitra na ireo zotra mampifandray ny renivohitra sy ireo kaominina manodidina, na ireo any amin’ny zotra manodidina ahitana ny zotra A, F, G, H, J, E, 194, 192, 157, 172, 183, 126, 159, 154, 110, 138, 133, 015, 147, 137, 150, 187, 162, 120, 178, 199, 119, 009, 114, 105, 144, 135, 14, KOFITAMA, KOMAMPITA, KOFIAMA, KOTRASMA, KOFIMI, KOMAFILA,… raha ny serasera sy ny fifanentanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Andaniny, nisy ny fivoriana tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely noho ny fampiantsoana nataon’ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo. Nilaza ireo ampahana mpitatitra anatin’ilay « plateforme » Firaisankina izay maneho ho ahitana ny zotra nasionaly, rejionaly,su-urbain, urbain, fa tsy mbola nanatanteraka fihaonana momba izany raharaha izany, ka nanambara fa tsy mandray anjara amin’ny fihaonana kasaina hatao eny Andohatapenaka. Nilaza fa vonona amin’ny fifampidinihana raha afaka mandray azy ireo ny PDS. Izy ireo moa ilay andiana mpanao fitaterana nanao fanambarana ho tsy mankasitraka sy mitaky ny hafanafoanana ny hetra alaina amin’ny fiara mandeha maotera na ilay TVM izay nofaritan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny DGI na ny fitaleavana ankampoben’ny hetra fa 5000 hatramin’ny 340 000Ar arakaraka ny fahanteran’ny fiara. Manana ny heveriny fa rariny sy hintsiny ny mpitatitra, indrindra fa ny taksibe. Mahatsapa ho tratry ny fanararaotam-pahefana, famoronana sazy tsy ara-drariny, fitangosana vola,…
TENA MBOLA METY VE ILAY RESAKA KAOPERATIVA ?
Tsy lavina fa tena betsaka ny mety endrika fanararaotana ary misy rariny ny fanehoana fa tsy manaiky ny karazana tsindrihazolena. Fa moa ve tena voahaja ny bokin’andraikitra sy ny maha asam-bahoakany asam-pitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina ? Na tiana na tsy tiana, betsaka ny gaboraraka : kalitaon’ny fiara efa ratsy dia ratsy ny sasany toy ny seza, fiara manetroka, fampijaliana ny mpanjifa amin’ny endriny maro toy ny taingim-be, fiodinana an-dalana indrindra rehefa hariva,… Inona no andraikitry ny kaoperativa ao anatin’ireny ankoatra ny fitangosana « cotisation » ? Inona no andrakitry ny tompon’ny fiara afatsy ny fitangosana « versement » ? Nahoana no tsy mahomby ny fanasaziana ireo mpamily sy resevera na koa ny fampidirana ambalam-pamonjana na « fourrière? Tsy hoe miaro ireo mpamily sy resevera izay betsaka ny manaonao foana fa firifiry amin’izy ireny moa no tena mikarama ara-dalàna isam-bolana sy manana fifanarahana arak’asa mazava miaraka amin’ny fiahiana ara-tsosialy ? Ny 80% dia saika anatin’ireo hoe manenjika « versement » dia izay mety tombony kely no ifampizarana hany ka betsaka no manaonao foana. Rehefa tsy afa-po ny mpampiasa dia asaina tsy miakatra rahampitso dia samy miala ! Tany amin’ny 10 taona lasa mety mahavita « tours » 10 ny fiara iray, fa izao 5 eo noho ny fitohanana, ny làlana simba, ny fikorontanan’ny tanàna,… Isan’ny antony iray heverina fa lesoka amin’ny fitaterana eto Antananarivo ny maha mbola anaty sehatra tsy tena ara-dalàna azy. Asa mbola mety ve io rafitra kaoperativa io sa mila hijerena lamina hafa hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra?
Toky R