Voatendry taorian'ny fivorian'ny filankevim-pitantanan'ny orinasa MADARAIL, ny Tale Jeneraly vaovao dia Rakotondrajaona Luc. Izy no mandimby toerana an-dRakotovao Emeric, izay nitana io andraikitra io hatramin'ny desambra 2025. Tontosa ny talata 20 oktobra 2026 ny famindram-pitantanana teo amin'ny roa tonta. Nisaotra ny Tale Jeneraly teo aloha tamin'ny ezaka fanarenana rehetra ny Orinasa ny, Filohan'ny Filankevim-pitantanan'ny MADARAIL, Patrick Raharimanana ary nirary soa ny Tale Jeneraly vaovao. Lehibe ny asa miandry ity farany indrindra ny fijerena ny mpiasa, ny fitaovana hiasana, ny fanavaozana ny fitantanana, hirosoana amin'ny famerenana ny fitaterana an-dalamby. Nanamafy izany Ranarisoa Désiré, Tale Jeneralin'ny fitaterana an-tanety, ny hirosoana haingana amin'ny asa, ary nampatsiahy, fa tsy irery ny orinasa sy ny mpiasan'i MADARAIL, fa eo ny Minisitera mpiahy azy. "Mila vokatra ny vahoaka", hoy izy. 66 taona ny Tale Jeneraly vaovao, ary nilaza fa maro ireo mpianany, no miasa amin'ny lalamby ankehitriny. Vina tiany hapetraka ny fiofanana sy fananganana sekoly ambony momba ny lalamby, miaraka amin'ny teknolojia vaovao. Mpampianatra, voky traikefa, eo anivon'ny sekoly ambony momba ny teknolojia moa i Rakotondrajaona Luc, ary efa nisehatra tamin'ny fanarenana Orinasa maro, na teto an-toerana, na tany ivelany. Nanome toky izy ny hamerenana ny lalamby sy hametraka izany amin'ny toerana maha izy azy, miaraka amin'ny mpiasa.
Jean D.
Rakotondrajaona Luc, Tale jeneraly Vaovao ny orinasa MADARAIL