Tsy mampiditra mpikambana vaovao intsony ireo taxi-moto miasa ao amin'ny kaominina ambanivohitra Bemasoandro, distrikan'Atsimondrano aorian'ny fanisana hatao vaovao. Nisy ny fifampidinihana sy fifanarahana niarahana tamin'ireo mpisehatra Taxi Moto rehetra ao Bemasoandro ny faran'ny herinandro teo izay efa mihoatra ny 50 isa. Fifampiresahana sy fihainoana ny hetahetan'ny tsirairay no natao tamin'izany ka niteraka lamina iombonana ho fampandehanana ny asa amim-pilaminana. Manamafy ny Kaominina Bemasoandro fa tsy maintsy miroso amin'ny fanamafisana ny lamina eny amin'ny arabe rehetra ny tompon'andraikitra sy ny mponina manomboka izao. Faritana sy hajaina koa ny toerana fiantsonana. Hapetraka ihany koa ny fitsipi-pifehezana sy ny fitsipika mifehy ny as. Ny tanjona dia ny hanatsarana ny filaminana, ny fifamoivoizana ary ny fiarovana ny mpampiasa lalana rehetra. Ao anatin'ny fifanajana sy ny fifampitsinjovana hatrany moa hoy ireo tompon'andraikitra no tokony hiorenan'ny rafitra.
Pati
Légende : Hentitra ny kaominina Bemasoandro amin'ireo taxi-moto miasa ao aminy !