airtel

Fifamoivoizana

24-août-2023

BETEHEZA ANALAVORY

Zaza 13 taona maty voahitsaky ny sprinter

Sample post image

Zazavavy kely iray vao 13 taona monja ny Alatsinainy atoandro teo no maty tsy tra-drano nitsahin’ny fiara sprinter iray

24-août-2023

tao Beteheza Analavory, lalam-pirenena voalohany. Fiara fitateram-bahoaka mampitohy an'i Mahasolo sy Analavory io nanitsaka azy io. Raha araka ny fantatra dia nanapaka tampoka ny arabe io zazavavy kely io tsy nahita ilay fiara sprinter akory. Ity farany izay fantatra fa nirimorimo fatratra tokoa. Ilay zazavavy kely teo an-daniny mbola notakonan’ilay kamiao lehibe nijanona tamin’ny sisin-dalana. Voadona mafy itsy voalohany noho izany ka nandriaka ny rà.Na dia efa noezahana nentina tany amin'ny CSBII aza moa ilay azavavikely dia tsy tana ny ainy. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana lalina ankehitriny raha efa notazonina rahateo ilay mpamily. Tsiahivina fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Nangonin’i Pati Legende : Ity ilay fiara sprinter namoa-doza !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap