eny amin'ny faritra iva dia nanapaka ny "comités de vigilance" na komitin’ny fahamailoana eo anivon’ny fiadidiana ny fampianarana na DREN fa mbola miato ny fampianarana amin'ireto CISCO voalaza manaraka ireto anio alakamisy 20 febroary sy rahampitso zoma 21 febroary 2025, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly hariva. Tafiditra ao anatin’izany ny CISCO Antananarivo Renivohitra, CISCO Atsimondrano, CISCO Avaradrano, CISCO Ambohidratrimo, CISCO Manjakandriana. Noraisina moa izao fanapahan-kevitra izao ho fiarovana hatrany ireo mpianatra amin'ireo loza mateti-pitranga amin'ny vanim-potoana toy izao toy ny tany mihotsaka, tamboho mianjera, lalana tapaka sy malama na dibo-drano. Aorian'izay kosa dia entanina mba hanaraka ny tetiandrom-pampianarana ireo tomponandraikitra rehetra. Asaina hatrany isika noho izany hanaraka tsy tapaka ny vaovao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto