airtel

Fifamoivoizana

16-sept-2026

Famindrana

eny Amoronankona

Sample post image

Tsy mihemotra ny Fanjakana !

16-sept-2026

tany misy lalàna eto! Fanatsarana no atao"
Nanamafy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Herizo Andrianavalona, fa tsy maintsy hirosoana anio alarobia 16 Septambra 2026 ny famindrana ireo mpitatitra avy ao Fasan’ny Karàna mankany Amoronakona. Araka ny fanazavany, tsy azo ekena ny hisian’ny fanjakana anaty fanjakana na ny fanaovana baranahiny eny amin’ireo toerana voakasika. Tokony hanaja ny lalàna sy ny fandaminana apetraky ny fanjakana ny rehetra, ka nilazany fa tany misy Fanjakana sy lalàna eto. Notsindrian'ity Minisitra ity fa tsy an'ny Minisiteran'ny Fitaterana irery ity fa an'ny Fanjakana, tanjona ny hanome zavatra tsara sy tolotra tsara ho an'ny vahoaka, ka tokony hizatra an'izany ny rehetra. "Ny any amin'ny tany tsy misy Gare Routière aza efa manahirana dia efa misy indray izay azo lazaina fa maoderina sy manaraka ny toetr'andro dia isika indray ve no halailay fonosana", hoy io Minisitra io. Nanamafy noho izany ny tenany fa tsy handefitra ny Minisitera, ary manentana ny mpandeha mba hanaraka ihany koa ny lamina mba ho fitsinjovana azy ireo amin'ny mety ho olana eny an-dalana. Ny Minisitera izay efa nilaza ny herinandro teo manomboka anio 16 septambra dia eny Amoronankona no fiantsonana ara-dalàna ho an'ireo zotra etsy amin'ny Fasan'ny Karana, ka hihatra ny sazy ho an'ireo minia mandika izany. Tsy misy intsony ny samy manao izay danin'ny kibony toy ny sakan-dalana samy manao izay tiany ho an'ny eny Amoronankona raha ny nambaran'io Minisitra io, fa hirindra sy hilamina, hisy ny "guichet unique" handamina. Ny Fanjakana izay efa nilaza fa hanokatra zotra miisa 10 mandalo eny Amoronankona hanamora ny fahafahan'ny mpandeha miazo eny an-toerana. Andrasana izay ho tohiny manomboka anio. Nahitsy moa ny Minisitera nilaza raha nampiantso ireo manam-pahefana isan-tsokajiny fa tsy ekena ny gaboraraka eny Amoronankona. Tsy miditra amin’ny resaka mpivarotra amoron-dàlana eny Fasan’ny Karana ny Minisitera fa izay ifanarahan’izy ireo sy ny tompon’ny tany. Ny fiara mpitatitra no tsy maintsy manaraka ny fepetra sy fandaminana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

ny 80-90%n’ny kaoperativa

Card image cap
16-sept-2026

Niteraka fifandonana sy faty olona, 16 voasambotra

Card image cap
16-sept-2026

Hosorahana sy voarara tanteraka ny gaboraraka

Card image cap