airtel

Fifamoivoizana

26-juil-2022

Fifamoivoizana

Fanakatonana lalana teny Ampitatafika Nandresy ny kaominina sy ny vahoaka

Sample post image

Ela ny ela fa nivaha ihany ilay olana fanidiana lalana nataon’olon-tsotra tao amin’ny vohitr’Anjanatsimiova, Fokontany Ampitatafika vaovao, kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

26-juil-2022

Efa nanomboka tamin’ny volana aprily lasa teo ny raharaha ka ankehitriny vao voavaha tanteraka.
LALAM-POKONOLONA
Raha tsiahivina kely dia lalam-pokonolona ity nidin’olon-tsotra antsoina hoe : Rakotonoely izay monina ao amin’ny vohitr’Anjanatsimiova ity. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nanorenany trano fivarotana misy rihina iray manoloana ilay lalana ka tapitra nihitsoka tao ambadik’ilay trano avokoa ny fiara manodidina ny 6 ankoatra ireo olona tsy afaka mivezivezy. Tonga nitaraina tany amin’ny kaominina ny fokonolona nanoloana izany ka tamin’ny datin’ny 20 aprily no niantso fivoriambe ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina nentina nandinihina izany.
TSY NAHAZOANA ALALANA
Tsy nijanona teo anefa ny kaominina fa nanao fitsirihana ihany koa ka tamin’izany no nahafantarana fa tsy nahazoana alalana ny fananganana ity trano miorina tsy ara-dalana teo amoron’arabe ity. Nanampy trotraka izany ny ny fiorenany amin’ny lalam-pokonolona izay nakan’ny kaominina mpandrefy tany mihitsy nanamarina izany. Tao anatin’izay indrindra anefa dia nandefa taratasy fandravana ny trano ny kaominina. Tsy nanaiky mora izany Rakotonoely fa nitory ny kaominina ary nilaza fa manana taratasy fahazoan-dalana izay taratasy fahazoan-dalana hanorina trano any anaty tanana fa tsy amoron’arabe velively na koa amin’ny lalam-pokonolona raha araka ny fanazavan-dRandrianarivony Jocelyn Marinot, lefitra voalohan’ny Ben’ny tananan’Ampitatafika. Mba nitory ihany koa ny kaominina nanoloana izany ka samy nantsoina teny anivon’ny fampanoavana ny roa tonta.

 Randrianarivony Jocelyn Marinot, lefitra faharoan’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika

 

NAHARESY NY KAOMININA
Fantatra taorian’izany fa nahazo ny rariny teo anatrehan’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana ny kaominina Ampitatafika. Tsy nanan-kery ny fitoriana nataon-dRakotonoely azy ireo. Nitohy tamin’ny fivoahan’ny didim-pitsarana izany ny datin’ny 15 Jolay lasa teo. Fantatra ary fa tsy maintsy harodan-dRakotonoely hatrany amin’ny fototra ilay trano naoriny tsy nahazoana lalana izay nihabana ny lalam-pokonolona ao amin’ny vohitr’Anjanatsimiova. Mbola ity Rangahy ity ihany koa no mandoa ny lany rehetra tamin’izany. Nampahafantarin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina ny vahoakan’Ampitatafika vaovao io didy io tamin’ny datin’ny 21 Jolay lasa teo. Tsiahivina moa fa fiara 3 amin’ireo 6 ireo raha kely no tokony hampidi-bola ho an’ny tompony nefa nihitsoka tao anaty garazy nandritra ny enim-bolana. Olona marobe ihany koa no voahelingelina tamin’ny asa fihariana tokony nataony….Na izany aza dia fantatra fa efa tonga nihaona mivantana tamin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina, Rakotonoely tompon’ilay trano tsy maintsy harodana. Nangataka ny mba hahafahany manao ny asa hatramin’ny 15 Aogositra ho avy izao ny tenany araka izany ankoatra ireo fandaniana tsy maintsy hataony.
 Ity miloko maitso voalohany ity ilay trano tsy maintsy harodana
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap