airtel

Fifamoivoizana

17-févr-2023

Fifamoivoizana

Fanamboarana “autoroute” Na ilay 80 km aza mbola resaka no betsaka

Sample post image

Isan’ny nambara tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 16 febroary 2023 teo fa efa tafiditra

17-févr-2023

amin’ny asa fanamboarana ny làlambe migodana (autoroute) voalohany eto Madagasikara ny orinasa Ejiptianina Samcrete Engineers & Contractors, izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana. Notsiahivina fa ny tapany voalohany 80 km no nanombohana azy. Nambara fa nankatoavina ny fampidirana eto Madagasikara ny fitaovana sy kojakoja, ary milina hanamboarana ny làlana, amin’ny alalan’ny antsoina hoe: “régime d’administration temporaire”. Ekena eny anivon’ny fadin-tseranana fa hampiditra ireo fitaovana samihafa ireo, izay voamarina fa tena ilaina amin’ny fanamboaran-dàlana, fa ao anatin’ny fotoana voafetra ihany mandra-pahavitan’ny asa. Rehefa vita ny asa dia ekena hivoaka ny fadin-tseranana indray ny famoahana azy ireo hiala eto Madagasikara. Mifanaraka amin’izay fepetra izay ny hetra sy ny haban-tseranana aloan’ny orinasa amin’ny fampidirana ireo fitaovana sy milina samihafa ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Nambara fa manaja tanteraka ny voalaza amin’ny andininy 11.1 amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny Samcrete io. Tsara ny manamarika fa ny 03 desambra 2022 no napetraka ofisialy tamin’ny alalan’ny lanonam-be izay efa fomba fiasan’ny Fanjakana Rajoelina ny vatofototra. Nampanantenaina fa ho vita hatramin’ny faran’ny taona 2023 ity ny 80 km. Tsiahivina fa 924 tapitrisa Ar no nambara fa sandan’ny fanamboarana ny 265 manontolo, raha ny nolazaina teny Iavoloha ny 03 novambra 2022. Famatsiam-bola madiodion’ny Fanjakana ilay 80km voalohany ambara fa ho vita hatramin’ny faran’ny taona 2023, raha toa ka mpiara-miombon’antoka hafa no hanohy ny ambiny, toy ny Afrexim Bank, izay nambara fa nampanantena 200 tapitrisa dolara, saingy mbola any an-kibon’ny omby. 301 miliara Ar na 75 tapitrisa dolara eo no haompan’ny Fanjakana amin’io andiany voalohany io. Tena misy ve ilay vola sa soratra fotsiny? Baraingo tanteraka kosa ny 185km!? Hatreto, mbola tsy mazava akory ny làlan-jotra, ary vao andro vitsy no mitaraina ireo tantsaha tompon-tany eny Antananarivo Avaradrano. Manampy trotraka izany ny hoe: avy any Toamasina no hampidirana ny fitaovana ka maninona no tsy atao manomboka avy any? Sa kosa mampahatsiahy ilay “voie rapide” 10 km nametrahana vato fototra tamin’ny 07 aprily 2019? 10 km aza tsy tanteraka ka azo inoana mora foana ve ny hoe: 80 km hatramin’ny faran’ny taona? Raha niainga 3 desambra 2022, tokony ho nahavita 200m isan’andro eo izany, ka raha kajiana amin’io, efa tokony ho 26 800 m manome 14,8 km no vita hatramin’ny anio. Io indray fa hoe: mbola hanafatra fitaovana sy milina, ka raha 2 volana eny ambony sambo izany, dia efa naman’ny maty ny martsa sy aprily. Dia tena sahy hilaza ve fa ho vita hatramin’ny faran’ny taona ny 80 km ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap