airtel

Fifamoivoizana

06-avril-2023

Fifamoivoizana

Fanamboarana ny làlana simba eto Iarivo Hiantohan’ny Fanjakana foibe, ary mba ahoana ny hafa ?

Sample post image

Miaiky ny fanjakana fa ratsy dia ratsy ny làlana eto Antananarivo Renivohitra, araka ny voalazany tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 05 aprily 2023.

06-avril-2023

Izao ve vao tsapa sy hita fa tena ratsy? Io no nanamarinan’ny Fitondrana ny fanapahan-kevitra tao anatin’io filankevitry ny minisitra io ny handraisan’ny Fanjakana Foibe an-tànana ny fanamboarana ireo làlana tena ratsy, izay nolazaina fa fantatra ny fiantraikany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ary manampy trotraka izany ny vanim-potoana ankehitriny izay nambara fa mety hahatapaka mihitsy ny làlana. Nankatoavina noho izany ny hirosoana amin’ny tsenan’asam-panjakana “appel d’offre restreint” noho ny hamehana, mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpampiasa làlana, hoy ny fanazavan’ny Fanjakana. Nolazaina fa araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery mikasika ny tsenan’asam-panjakana, ny andininy faha-39. II 2 amin’nyy lalàna lf:2016-055 tamin’ny 25 janoary 2017 sy ny andininyy faha-5 sy faha-6 amin’ny lalàna lf: 2022-800 tamin’ny 01 jona 2022 mamaritra ireo tranga sokajiana ho hamehana io. Ampahan-dàlana miisa 41 manerana an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina no nambara fa voakasika ny fanamboarana horaisin’ny Fanjakana Foibe an-tànana, araka ny drafi-panamboarana izay nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra niainga tamin’ny toromariky ny Filoha. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 19 janoary, dia efa nisy ny fanapahana teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra nilaza hoe: noho ny hamehana dia nomena alalana tsy handalo tsenambaro-panjakana ny fanamboarana ireo làlam-pirenena maro izay notanisaina tamin’izany, ka tafiditra tamin’io ny hoe: anisany ny làlana sasany eto an-dRenivohitra. Tsy hita izay tena nandeha, ary ny nandeha na natomboka aza niteraka adihevitra. Io indray fa niova hoe: “appel d’offre restreint”. Ireo làlam-pirenena nampanantenaina fa hamboarina aloha tsy hita izay tena natao, fa ny talaky maso no ezahina hosarontsaronana satria akaiky ny fifidianana. Ny làlan-drehetra anefa no mila fanamboarana noho ny tsy fisian’ny fikojakojana nataon’ity Fitondrana ity, ary saika manerana ny Nosy io. Matoa aloha hoe: Antananarivo ihany no voaresaka eto dia midika fa tsy ampy na tsy misy vola ahafahana manao ny hafa, ary vonjitavanandro. Mbola baraingo hafa ny hoe: ahoana ny momba ny orinasa mahazo ny tsenan’asa satria ny re dia roa eo sisa no tena manao izany. Antony ny fanahian’ny maro sao tsy ho azo eo indray ny vola. Nokiviana tanteraka ve ireo orinasa maro mba ahafahan’ny akamakama migalabona amin’ny tsenan’asam-panjakana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap
12-avril-2024

Efa miroso amin'ny andrana teknika ankehitriny ireo tompon'andraikitry ny asa momba ilay tetikasa

Card image cap