Niravona ny olana ary miverina misokatra indray ny ENEAM (l'École Nationale d'Enseignement de l'Aéronautique et de la Météorologie), sekoly fanofanana manamory fiaramanidina eny Ivato. Taorian’ny fisintonana ny fahazoan-dàlana noho ny tsy fanarahana fepetra anatiny sy iraisam-pirenena, dia vita tao anatin’ny iray volana sy tapany ny dingana « 5 phases » takian’ny fenitra anatiny ACM (Aviation Civile de Madagascar) sy ny iraisam-pirenena OACI (Organisation de l’Aviation Civile Internationale), ka nahazoana indray ny « certificat d’agrément ». Dingana lehibe izany satria mamerina ny sekoly ho ara-dalàna sy ekena iraisam-pirenena ny fiofanana sy ny diplaoma omeny. Notsindrian’ny Minisitry ny Fitaterana Herizo Ramanambola fa tsy nahavita nanaraka ny Tsy Malagasy ihany moa no miofana ao, fa vao tsy ela ohatra no namoaka Béninois, izay midika fa manan-danja ny fanofanana eto Madagasikara mikasika ny fanamoriana fiaramanidina fepetra ny fitantanana teo aloha nandritra ny herintaona sy tapany, nefa ny fitantanana vaovao kosa nahavita dingana lehibe namaha ny olana tao anatin’ny iray volana sy tapany. Nilaza ny Tale Jeneralin’ny ENEAM Rtoa Rindrasoa Nadia Réné fa sarotra ny fotoana niaretana, very ny fitokisana, ary voatery noraisina ny fanapahan-kevitra hentitra satria tsy azo lalaovina ny « sécurité aérienne ». Mpianatra 20 ho an’ny taom-pianarana 2025-2026 no voakasika tamin’ny fahatarana ary nisy aza ireo teo aloha, saingy napetraka ho laharam-pahamehana ny fampanarahana fenitra ACM sy OACI. Nanamafy kosa ny Tale Jeneralin’ny ACM Faniry Alban Rakotoarisoa fa tsy fanao ny manakatona sekoly saingy tsy afa-nanoatra satria tsy nety feno ireo fepetra, tsy maintsy nampanarahana ny lalàna sy ny fepetra iraisam-pirenena ny sekoly, ary nomena toromarika hamaha avy hatrany ny olana raha vao misy « non-conformité ». Nanipika ny Tale Jeneraly fa mitohy ny fampanarahana fenitra toy ny « aéroport » sy « aérodrome » Mahajanga, Morondava, Toliara, izay eo andalam-pamahana. Betsaka ireo « exploitants » fetsifetsy, mangataka fangatahana « vol privé » kanefa lasa manao « vol clandestin » manao jono botry manao sidina ara-barotra, ka tapitra hatreo ny tsy fanarahan-dalàna. Hisy ny fihaonana amin’ireo « exploitants » ny 16-17 jolay izao hifampidinihana, raha ny 5-7 desambra kosa ao anatin’ny « journée de l’aviation civile internationale » kosa ny ho an’ny daholobe.
Toky R