hoy ny fampitam-baovaon’ireo nanjohy iny lalana iny ny tolakandron’ny sabotsy teo. Saika irony fiarabe na kamiao irony no fototry ny olana, hoy izy ireo. Lavabe ny fitohanana. Aiza ny zandarimaria mpandrindra ny lalana? Misy koa ireo manam-pahaizana efa zatra mpanao “doublons”, izany hoe tsy manaja ny lalàna mifehy fifamoivoizana, ka vao mainka manery ny fifanenàna, hoy hatrany ireo mpampiasa lalana. Ny teto Antananarivo renivohitra moa dia efa maha fotsy rora tanteraka ireo vahoakan’ilay nampanantena fatratra tamin’ny 4 taona lasa hoe “Antananarivo tsy maintsy mandroso”. Hifarana ihany ity ny fotoam-piasany hita ho nihemotra fatratra ilay nambarany fa tsy maintsy mandroso. Tsy voafehy ny fitohanana, raha ny faran’ny herinandro teo no fintinina.
J. Mirija
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»