airtel

Fifamoivoizana

19-mai-2026

FARITRA ANALAMANGA

Laharam-pahamehana ny

Sample post image

asa fanamboaran-dalana

19-mai-2026

Laharam-pahamehana ho an'ny Faritra Analamanga ny asa fanamboaran-dalana hahafahan'ny olona sy ny vokatra mifamezivezy. Tsy hisy fanavahana izany ho an'ny kaominîna rehetra eo ambany fiadidiany hoy Raharinirina Clémence, Lehiben'ny Faritra izay noderain'ny mpanolontsaina avon'ny Repoblika manokana Randriamiriantsoa Gervais ny fahaizany sy ny hakingany. Nambarany mantsy fa anisan'ny nampitaraina ireo kaominîna maro hatramin'izay ny fanavakavahana nataon'ny Fitondram-panjakana teo aloha. Izay tsy mañana loko vonim-boasary dia taraiky hatrany nefa ny hamahana ny olan'ny vahoaka sy ny hahafahana mampandroso ny tanana no tanjona. Ho an'ny distrikan'Andramasina noho izany dia lalana mirefy 140 km no fantatra fa hasiam-panamboarana, fandaharam-potoana tafiditra amin'ity taona 2026 ity. Haharitra volana maromaro ny asa hoy Rtoa Lehiben'ny Faritra izay hatao terrassement avokoa aloha. Engin iray miaraka amin'ireo fitaovana mifandraika amin'izany no efa miasa any an-toerana ankehitriny. Nandefasana fitaovana mifandraika amin'izany koa ny kaominîna Mahabo ao Ambohidratrimo, asa fanamboaran-dalana izay hangatahin'ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana ny hanohizana ny asa hatrany amin'ny kaominîna Anjanadoria. Toraka izany koa ny distrikan'Atsimondrano. Hahazo tombony avokoa ny kaominîna rehetra. Nambaran-dRtoa Lehiben'ny Faritra moa fa efa tonga eto am-pelatanany koa ny fangatahana avy amin'ireo Ben'ny tanana ao anatin'ny distrikan'Ankazobe sy Anjozorobe ka hitôhy hatrany ny asa. Teny filamatry ny Faritra Analamanga moa ny hoe : Miasa, miasa, miasa ary tsy hisy distrika iray hohadinoana.
Pati
Légende : Raharinirina Clémence, Lehiben'ny Faritra Analamanga !
 

Dans la même rubrique

20-mai-2026

Miaramila miisa 30 avy eo anivon’ny Jenia Miaramila

Card image cap
19-mai-2026

Nametraka lamina sy paikady vaovao

Card image cap