Noraisina ny fepetra ho an’ny fiara fitateram-bahoaka maniry hitatitra olona ivelan’ny zotra nahazoan alalana ary sahaniny andavanandro amin’izao vaninandron’ny paska izao. Tsy maintsy mandalo fitsirihana teknika manokana na “visite technique spéciale” atao eny amin’ny ivon-toerana fisarana fiarakodia (DGSR) mialohan’ny fangatahana ny taratasy fahazoan-dàlana manokana na “Autorisation spéciale” any anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT manerana ny Nosy izy ireo. Manan-kery nanomboka ny 03 aprily hatramin’ny 14 aprily ity naoty nosoniavin’ny Minisitry ny fitaterana Valery Ramonjavelo sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé ity, araka ny fampahafantarana natao. Anton’io ny fanamafisana ny fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana an-tanety mandritra ny fetin’ny Paska. Tanjona ny ho fitandroana mandrakariva ny ain’ny mpandeha ho fandrindràna ary ho fandaminana ny asa fitaterana olona iombonana an-dalam-be mandrindra ny fankalazana ny fetin’ny paska 2023, raha ny voalazan’ity naoty navoaka ity.
Toky R
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny