tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Fiara nivadika tao Ambatonapoaka Olona iray namoy ny ainy

Fiara 4 L iray no nivadika omaly maraina teny Ambatonapoaka, distrikan’ Arivonimamo, lalam-pirenena voalohany. Olona iray no namoy ny ainy vokatr’izany teo noho eo raha nalefa any amin’ny hopitaly kosa ireo roa hafa.

14-nov-2022

Sample post image

Miisa telo mantsy izy ireo no tao anatin’ilay fiara. Vokatr’ilay lavaka lalina teo amin’ny lalana moa no voalaza fa antony niteraka ny loza izay ahiana handrakotra ny arabe manontolo mihitsy raha tsy voaharina haingana. Ho an’ireo vahiny tsy mahay lalana araka izany dia ahiana ho taitra tampoka ny mpamily vantany vao mahita io lavaka io ka mety ho latsaka any an-kady avy hatrany toy ny nahazo ity fiara 4 L kely ity. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra. Saika ahitan-doza tahaka izao hatrany mantsy eo amin’ity toerana ity hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanavaozana momba ny kaoperativa Hampivelatra ny tsena ny lalàna vaovao
08-juin-2023

Lany tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa.

Card image cap
Avaradoha Namoy ny ainy ilay mpitondra moto voadonan’ny taxibe
08-juin-2023

Nitrangana lozam-pifamoivozana nahatsiravina omaly teny Avaradoha. Tokony ho tamin'ny 09 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany.

Voir plus