avaratra mialohan'ny hidirana ny tanànan'Analavory, afak’omaly Alatsinainy 28 Aprily maraina. Fiara Sprinter iray avy any Mananjary ho any Manakara no tra-doza tampoka. Raha araka ny fantatra dia vaky kodiarana havia aoriana ilay fiara ka nitarika ny fivadihany. Zazakely tsy manan-tsiny vao vao 21 volana monja vokatr’izany no namoy ny ainy raha olona miisa 8 hafa kosa no naratra. Vaky nandositra nandritra izany ny mpamily ary mbola tsy hita hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Nilaza ny hitolo-batana any amin'ny mpitandro filaminana izy hoy ireo mpandeha fa matahotra fitsaram-bahoaka. Tsiahivina moa fa antony miteraka ny lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona ny 80%-n’ny olana ara-teknika mety mahazo ny fiara eny am-pandehanana tahaka izao raha avy amin’ny mpamily kosa ny 20% toy ny hamamoana sy ny fandehanana mafy.
Pati
Legende : Ity ilay fiara nivadika !
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»