airtel

Fifamoivoizana

25-août-2023

Fiaramanidina kely nianjera

Lasa lavenona, 1 maty ary 4 avotra

Sample post image

Fiaramanidina kely iray 5R-MKB an’ny kaompania Sky Service nampiasain’ny orinasa Aqualma no nianjera tao

25-août-2023

Besakoa Mahajanga II omaly 24 aogositra 2023 omaly tolakandro tamin’ny 3ora sy 15 minitra teo. Niainga tao Besakoa Mahajanga II izy ity, saika hiazo an'i Moramba, toeram-pizahan-tany amin'ny tapany avaratr'i Mahajanga, izay mbola tsy fantatra mazava ny antony. Nianjera ilay fiaramanidina io izay marihina fa nitondra olona 5, ka nirehitra avy hatrany. Avotra ny olona miisa 4, fa ny mpanamory mpanampy antsoina hoe Razafimaharavo Alain Andrianandraina no namoy ny ainy tavela may niaraka tamin’ilay fiaramanidina. Andrasana ny mety ho akony satria isan’ireo avotra soa aman-tsara ny mpanamory izay Ramiarijaona Gaël no anarany, raha ny vaovao niparitaka omaly. Tamin’ity taona ity izany, dia nahatratra 3 teo ny lozam-piaramanidina satria ny volana janoary dia nisy iray izay namoizana olona iray tany amin’ny faritra Alaotra-Mangoro , nisy iray hafa tany Toliara izy izay taorian’io, ary ity omaly ity indray izay namoizana ain’olona.
Nangonin’I Toky R

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap