airtel

Fifamoivoizana

06-déc-2023

Fifamezivezena eto Antananarivo

Nampahatsiahy ny lalàna ny SMGD

Sample post image

Volana Desambra, hitombo efa ho avo roa heny ny olona hifamezivezy eto Antananarivo,

06-déc-2023

hoy ny avy eo anivon’ny SMGD na “Société Municipale de Gestion Digitale”, izay orinasa misahana ny fifamoivoizana eto amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra na KAR nampahatsiahy omaly. Hitombo arak’izany koa ireo fiara hifamoivoy, hoy izy ireo. Tokony hitombo mifanaraka amin’izay ihany koa ny fanajàna ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fiantsonana amoron’ny arabe. Fihetsika iray tsy voatandrina dia mety hiteraka fitohanam-be ka hitondra fahasahiranana ho an’ny mpampiasa lalana an-jatony maro. Raisinay ho adidy ny mampahatsiahy ireo fahazaran-dratsy mila ialàna raha hiandrandra filaminana. Matoky ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay izahay ka tsy hiandry sazy vao hanara-dalàna, hoy hatrany ny SMGD. Voarara ny miantsona ambony “trottoir” na fandehanan’ny mpandeha an-tongotra, miantsona amin’ny toerana efa misy takela-by fandrarana, toerana mampidi-doza toy ny anaty fiolanana sy sampanana, fiantsonana mihoam-pefy isan-karazany toy ny ivelan’ny faritra voasoritra, afovoan’ny arabe, manoloana vavahady sy ny toy izany rehetra, hoy ny fampahatsiahivana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap