ny tompon'andraikitra
Manoloana ny fitohanana mampikaikaika ny maro manomboka any Andranonahoatra Itaosy hatreny amin'ny Rond-point Ampasika dia tsy mitsahatra mikaroka vahaolana ny Polisim-pirenena miasa ao Kaomisaria Itaosy, miara-miasa amin’ireo mpitantana ny Kaominina eny an-toerana. Efa nisy ny asa natomboka ary tohizana, hatsaraina hatrany ny fomba fiasa. Omaly Alatsinainy 18 May dia nisy ny fidinana ifotony notahiran'ny Commissaire de Police MAMILOMA Augustin Maradona, lehiben’ny Kaomisarian' Itaosy sy ny Polisy misahana ny Fifamoivoizana izay notarihin’ny Commissaire de Police ANDRIAMIZAKA Hasina Ravaka. Tanjona lehibe amin'izao ezaka izao ny fampanarahan-dalàna sy fanajàna ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra ka hanamaivana ny fitohanana. Tsapa ary hiaraha-manaiky fa manana andraikitra avokoa na ny mpitondra fiara, ny mpitondra kodiaran-droa, ny sarety ary ny mpandeha an-tongotra. Manentana hatrany ireo mpampiasa lalana rehetra mba hanaraka ireo lamina sy hanaja ny fitsipika izy ireo mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro. Tsiahivina moa fa vao tamin'ny faran'ny herinandro teo no namono zaza marary nentina moto hoentina hamonjy hopitaly ny amboteiazin'Itaosy, tranga izay tena nahaontsa ny fo tokoa.
Pati
Légende : Nandritra ny fidinana ifotony nataon'ireo tompon'andraikitra omaly !
Miaramila miisa 30 avy eo anivon’ny Jenia Miaramila