airtel

Fifamoivoizana

28-déc-2022

Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Ho hentitra ny fanaraha-maso ireo fiara manetroka be

Sample post image

Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso manokana ireo fiara mifamoivoy eny an-dalambe mamoaka setroka mihoapampana sy diso tafahoatra ny foibe fitsarana fiarakodia manomboka izao.

28-déc-2022

Ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina no anton’izany. Miantso ireo mpampiasa lalana rehetra, indrindra fa ireo tsara sitrapo hifanolo-tanana aminy araka izany ny foibe fitsarana fiarakodia. Toraka izany koa ireo tompona fiara mba hikolokolo ny fananany. Raha mahita tranga mahakasika fiara iray ahiana hitera-doza na ratsy endrika na misy fiara mifamoivoy ka manetroka setroka mihoampampana sy diso tafahoatra araka izany ny olona iray dia afaka miantso avy hatrany ireto laharam-pinday ireto dia ny 034 79 050 12 sy ny 034 79 050 12. Afaka mandefa hafatra miafina ao amin’ny pejin’ny DGSR ihany koa moa izay afaka manao izany miaraka amin’ny laharan’ilay fiara sy ny toerana nahitan’ilay olona izany. Raisin’ny DGSR ho tsiambarantelo moa ny mombamomba ireo mpanome vaovao. Pati Legende : Betsaka ireo fiara mamoaka setrokabe eny an-dalambe amin’izao
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap