airtel

Fifamoivoizana

20-janv-2023

Fifamoivoizana

Fikojakojana ny làlana Efa fay ireo tsy nahazo vola, hahazo laka ny akamakama…

Sample post image

Isan’ny nankatoavina tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra afak’omaly 19 janoary 2023, fa noho ny hamehana manoloana ny fahasimban’ny lalàm-pirenena maro, dia notapahana ny fanomezana alalana mialoha

20-janv-2023

na “autorisation d’engagement préalable” amin’ny asa fanamboarana rehetra. Tsy hanaraka ny pitsopitsony mahazatra takiana amin’ny maha tsenan’asam-panjakana azy noho ny hamehana. Midika ho fanomezan-dàlana amin’ny fandaniana rehetra ilaina mikasika ny fanamboarana ny RNS 1, RNS 1Bis, RNP 2, RNS 5a, RNP 7, RNT 8B, RNT 33B, ary ampahany amin’ny sasany amin’ny làlana eto Antananarivo Renivohitra izay ao anatin’ny lisitra nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, hoy ny Fanjakana. Nambara fa nanomboka 2020 dia nihazakazaka be ny fahasimban’ny làlam-pirenena, izay nambara fa nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy amin’ny làlam-pirenena. Notsiahivina ihany koa ny maha tompon’ny asa na “maître d’oeuvre” ny minisiteran’ny asa vaventy ka tsy maintsy ahazoana ny fankatoavany ny tetikasa rehetra mety mahakasika ny làlam-pirenena. Notsiahivina ihany koa ny hitsivolana 60-166 tamin’ny 3 oktobra 1960 fa misy sisiny 20 ka hatramin’ny 30 metatra ny làlam-pirenena sy làlam-paritany, ka voarara ny fanaovana asa fivarotana, fananganana trano na fotodrafitrasa hafa, fanasana fiara, fanahazana voka-pambolena, fiantsonana tsy ara-dalàna. Fanapahan-kevitra noho ny hamehana sy ny krizy ity noraisin’ny Fanjakana ity. Amin’ny lafiny miabo, ahafahana manafaingana ny asa fanamboarana sy fanarenana tsy miandry pitsopitsony be tahaka ny antso tolo-baro-panjakana. Amin’ny lafiny miiba kosa, miharihary fa tsy nahavita ny asany ny Fanjakana Rajoelina satria zavatra efa tokony handeha ho azy ny fikojakojana ny làlana (entretien périodique) izay miainga amin’ny volan’ny FER (Fonds d’Entretien Routier) izay novainy ho FR (Fonds Routier). Nankaiza ny volan’ny FER no izao potika izao vao hoe: hamehana ?
HANDEHA AMIN’IZAY NY KIANTRANOANTRANO ?
Tsy tena sahy mirisika mamaly ny tolo-baro-panjakana momba ny làlana ankehitriny ireo orinasa amin’ny asa vaventy. Fay tanteraka teo anatrehan’ny tsy fandoavam-bola ara-dàlana sy ara-potoana ireo orinasa manodidina ny 300. Rehefa tsy misy sahy intsony ireny, dia misosoka ho azy ny akamakama sy kopaka isasahana? Ireo orinasa goavana iraisam-pirenena amin’ny asa vaventy indray, matetika ny asa vatsian’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena toy ny Vondrona Eoropeanina, Banky iraisam-pirenena,… no hamaliany antso tolo-barotra. Efa manana ny fenitra amin’ny asa ka tsy handeha hidi-kizo hanalabaraka tena satria zava-misy eto, ohatra, ny asa tokony ho 200 miliara Ar no hanaovana azy dia mandeha ny kaomandy hoe: ataovy sahaza an’izay vitan’ny 80 miliara Ar.
Toky R
 

Dans la même rubrique