airtel

Fifamoivoizana

16-déc-2025

Fitaterana eto Antananarivo

Misokatra amin'ny sarany 3000Ar ny train urbain

Sample post image

Nosokafan'ireo manam-pahefana sy

16-déc-2025

mpiara-miombon'antoka tamin'ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 15 desambra 2025 ny fitaterana an-dalamby na train urbain eto Antananarivo. Hisokatra ofisialy ho an'ny daholobe manomboka anio talata 16 desambra, amin'ny sarany 3000Ar. Eo amin'ny 16km eo ny halavirana miainga eo Soarano – Ambohimanambola. Miato amin’ny gara 9: Soarano, Ampefiloha, Soanierana, Anosibe, Mandroseza, Mahazoarivo, Ambohipo, Amoronakona, Ambohimanambola. Hiasa ny alatsinainy hatramin'ny sabotsy amin'ny 5h00 maraina ny miainga etsy Soarano sy amin'ny 5 ora sy sasany hariva ho an'ny miainga eny Ambohimanambola, ho an'izao fanombohana. Nankasitraka ireo teknisianina eo anivon'ny Madarail izay namolavola ny lafiny teknika fampandehanana ity tetikasa ity ny Minisitry ny fitaterana izay nanamarika fa tena tsy mora ny nanao izany, fa tena nampiasana ny fahaiza-manao Malagasy. Teo ihany koa ireo ezaka samihafa nahafahana nanokatra ny tetikasa. Niantso ny fanajana ny toromarika sy fandaminana ary ny fikarakarana ny fotodrafitrasa mba haharitra io minisitra io. Safidy vaovao ho an’ny fivezivezena an-tanàn-dehibe izy ity, izay tafiditra anatin'ny fitohizan'ny raharaham-panjakana. Ity tetikasa ity izay efa 2 taona lasa no nilazan'ny Fitondrana teo aloha fa hanomboka sy hiodina ofisialy saingy nitsefotra. Heverina fa mety hanampy amin'ny fanatsarana ny fitaterana eo anatrehan'ny fahateren'Antananarivo. Asa hisy ve ny fanokafana ny Gara Fisandratana izay efa 7 taona teo no nahavitany, saingy navela fotsiny teo tamin'ny fitondran-dRajoelina noho ny mety hambom-po politika ? Moa tsy fotoana tokony hanokafana azy ve izao eo anatrehan'ny efa fisiana fiaran-dalamby makany? Ny fampiasana an'io dia azo heverina ho mampihena ny fivangongoana eto Antananarivo satria sady mivoaka avy hatrany amin'ny RN2 miazo ny tapaky atsinanan'ny Nosy no mifanohy avy hatrany amin'ny RN 7 mianatsimo ihany koa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

afaka mandray fiaramanidina 100 isan'andro

Card image cap