miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eny amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana sy Maki Andohatapenaka manomboka amin’io herinandro ho avy io. Noho ny fidinan’ny vidin-tsolika raha ny nambaran-dRandriamparany Martin, filohan’ny KMMFT no antony nandraisan’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany izay 200 Ar isaky ny litatra ho an’ny lasantsy raha tsiahivina raha 140 Ar kosa ny an’ny gazoala. Na izany aza anefa dia notsindriany fa tsy hitovy io fidinan’ny saran-dalana io. Samy hanana ny azy ny koperativa isanisany izay hoapetraka amin’ny alalan’ny peta-drindrina mba ho hitan’ny besinimaro. Nomarihin-dRandriamparany Martin moa fa tsy hijanona amin’izao anefa io fampidinana saran-dalana io. Raha vantany vao mihetsika indray mantsy ny vidin-tsolika dia hisy indray ny fepetra horaisin’izy ireo mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nivory omaly !
Na hianavaratra, na hianatsimo, na hiankandrefana na hiantsinanana,
Ho tapaka tanteraka mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RNP 2),