airtel

Fifamoivoizana

10-juin-2026

Fitaterana mandeha maotera

Hihatra amin'ny jolay ny haba

Sample post image

5000 hatramin'ny 340 000Ar

10-juin-2026

Miverina amin’ny laoniny ny fanangonana ny haba amin’ny fiara enti-milina na TVM (Taxe sur les Véhicules à Moteur", izay hetra alaina isan-taona amin’ireo fiara manana laharam-pamantarana ara-panjakana, araka ny fampahafantarana ofisialin'ny Tale Jeneralin’ny Hetra, RAHARALAHY Edmond omaly 9 jolay 2026. Mihatra amin’ny fiara rehetra: fiarakodia, fiara fitaterana entana, kodiaran-droa, sambo misy motera ary fiaramanidina, na mandeha amin’ny solika, na herinaratra na rafitra mifangaro. Afaka amin’ity haba ity kosa ireo fiara manokana ampiasain’ny fanjakana, ny mpamonjy voina, ary ny fiara mpitondra marary. Ho an’ny taona 2026, ny fiara efa nampidirina hivezivezy talohan'ny 15 Jolay 2026 dia tsy maintsy hanao fanambarana ara-ketra sy handoa ny haba farafahatarany ny 15 Jolay 2026. Raha tara amin’izany dia iharan’ny sazy ara-ketra araka ny Fehezan-dalàna momba ny Hetra (CDI). Ho an’ireo fiara nampidirina manomboka ny 15 Jolay 2026, dia takiana avy hatrany ny fandoavana ny haba vao ampiasaina. Ny fanambarana sy fandoavana dia atao eny amin’ireo sampan-draharaha misahana ny hetra toy ny DGE, SRE Analamanga, SRE Atsinanana, SRE Vakinankaratra, ary ny ivon-ketra Boriborintany afobe Antananarivo sy Alasora. Aorian’ny fandoavana dia omena tapakila fanamarinana misy kaody QR ny mpandoa hetra, izay tsy maintsy tehirizina ao amin’ny fiara mandritra ny taona sivily iasana. Ny tsy fanarahana ny fe-potoana na fanambarana diso dia mitarika sazy ara-dalàna sy mety hanakana ny fahazoan-dalana hivezivezy.
5000Ar HATRAMIN'NY 340 000Ar
Rehefa nokarohana ny andinin-dalàna, miankina amin’ny heriny: ny loharanon angovo ampiasainy ary ny taonany ny haba. 5000Ar hatramin'ny 340 000Ar isan-taona ny haba. Arakaraka ny maha antitra ny fiara no itomboan’ny vola aloa, manomboka amin’ny 15 000 Ar ho an’ny fiara vaovao ka hatramin’ny 340 000 Ar ho an’ny fiara diesel maherin'ny 15 CV. Ny fiara elektrika sy hybride kosa dia manana hetra ambany kokoa, manampy amin’ny fanentanana hampiasa angovo madio. Ankoatra izany, ny sambo fialam boly dia mandoa hetra raikitra 200 000 Ar isan taona. Ity rafitra ity dia maneho ny ezaka hanatsarana ny fitantanana ara hetra sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsara ny manamarika fa mila hatrany amin’ny 8 651,19 miliara Ar ny Fanjakana anatin’ny PAN (Plan annuel de financement).
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

familiviliana ny afera Boeing 777 »

Card image cap
19-juin-2026

miverina misokatra ny ENEAM

Card image cap