tato ho ato ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto amin’ny faritra Analamanga, ny marimarina kokoa, eto Antananarivo sy ny manodidina, raha ny angom-baovao voaray. Misy fotoana tena tsy misava mihitsy izany maraina mandra-paharivan’ny andro. Hatrany Andoharanofotsy any. Mandalo an’iny Tanjombato iny. Anosy, Analakely, Ankorondrano, Andranomena, Imerina afovoany, Antehiroka, mankany mankany. Na ireo olona heverina ho tony indrindra anaty fiarahamonina aza hita tohina ihany ny farany. Mila fiheverana manokana ny fandrindràna ny fifamoivoizana manoloana ny fitohanana eto Analamanga, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra. Andrasana, araka izany, ny famahàna ny olana avy amin’ireo tomponandraikitra.
Nangonin’i J. Mirija