ny Alatsinainy noho ny fitohanana diso tafahoatra. Raha araka ny feo mandeha eny rehetra eny mantsy dia polisy vao miana-draharaha no mandamina ny fifamoivoizana eny Ampasika sy eny amin’ny sampanana miazo ny famonoan’omby amin’ireo andro ireo ka tsy mbola haindry zareo izay tena tokony hataony. Maharitra ora iray sy 15 minitra vao tafavoaka eo Ampasika ny taxibe iray miala eny Andranonahoatra Itaosy. Tsy misy intsony ilay antsoina hoe : double fa dia miandry ny rariny ny mpampiasa lalana indrindra raha vantany vao lasa ilay tompon’andraiki-panjakana iray mipetraka eny amin’iny faritra iny. Toraka izany koa raha vantany vao avy ny orana. Maharitra ora iray raha kely ny fandaminana eny ambony tetezana fotsiny izay efa tena mampiteny ny moana mihitsy. Voakasik’izany avokoa ireo fiara mivoaka sy miditra izay samy tsy misy te ho tara ihany koa fa samy mampiasa ny fahaizany. Tsy lazaina intsony ny moto sy ny bisikileta, ny posy sy ny sarety….Tsiahivina moa fa efa zary fiainana mihitsy ny fitohanana ho an’iny faritra Itaosy iny saingy ny fotoana hiasan’ireo polisy voalaza vao miana-draharaha ireo no tena mampitaraina ny maro. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Efa tena sahirana amin’ny fitadiavana ny haninko hanina isan’andro mantsy ny rehetra nefa mbola olanabe ihany koa ny fitohanana mivoaka sy miditra ny tanana.
Pati
Legende : Mangidy hatrany ny fitohanana miazo ny tananan’Itaosy !
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»