airtel

Fifamoivoizana

07-avril-2023

Fifamoivoizana

Fitohanan’ny fiara isan’andro 900 miliara Ar isam-bolana ny fatiantoka eto Iarivo

Sample post image

Mahatratra 10 . 800 . 000 . 000 . 000 Ar isan-taona no vola very na “manque à gagner” noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo,

07-avril-2023

raha ny kajikajin’ny mpandinika. Raha ny tokony ho izy dia azo kajiana tsotra ho 8ora in-telo ny fanasokajiana ny iray andro na 24ora (8 ora miasa, 8ora matory, valo ora miaina tsotra) ny olona iray. Ny ora tokony hiasana anefa lany amin’ny fitohanan’ny fiara.
5 ORA LANY AMIN’NY FIFAMOIVOIZANA
Ohatra iray noraisin’ny mpandinika ny hoe: ho an'ny mponina toy ny eny Itaosy sy ny maro hafa mitovitovy aminy, dia mety mandany 5 ora amin’ny resaka fitaterana fotsiny (1ora sy 30 minitra miandry bus ka 30minitra maraina, 1 ora ny hariva), 3 ora sy 30 minitra eny ambony taksibe (1ora sy 30minitra ny maraina, 2ora ny hariva). 3ora 30 no mba hiainana (1ora hialana sasatra kely ny atoandro, 2ora amin'ny hariva). Ianao Anefa tsy maintsy matory! Ny dikan'izay dia tsy miaina intsony ny mponina an-drenivohitra. Mifoha amin’ny 5ora maraina, miainga amin’ny 5ora15; miasa miditra amin'ny 8ora, mirava amin’ny 5ora hariva. Tonga ao an-trano amin’ny 9ora alina. Misakafo sy mijery vaovao, dia matory amin’ny 10 ora alina. Aiza ny fotoana ivavahana? hikarakarana ny ankizy? Hanaovana fanatanjahantena? Hamakiana baiboly, ...? Tena tsy dia misy ny valiny. “Izaho aloha tsy mipetraka any intsony fa hitako tena “perte économique » sy « perte en bien être » ilay fitohanana », hoy ny fanehoan-kevitra, izay nanamarika fa ho an'ny olona miasa tena no tena dia tena maty antoka tanteraka. Raha ny kajikajy tokoa, 4ora lanilany foana kanefa tokony niasana. Raha tokony 1ora no laninao eny an-dàlana, tsara dia lany 4ora30 mahery ianao, hoy ny fanehoan-kevitra. Raha izay no homena vidiny hoe: tokony hampiditra 20.000/ora ianao, dia 90.000 Ar isan'andro izany no tsy miditra ainao; 1.800.000 Ar isam-bolana (20 andro isam-bolana). Ka raha vahoaka 500.000 fotsiny (3 tapitrisa ny mponin’Antananarivo) no taraiky anaty fitohanana, dia vola tsy miditra sy very 900.000.000.000 Ar isam-bolana,10.800.000.000.000 Ar isan-taona, hoy io fanehoan-kevitra io. Ny fitomboan’ny fandaniana solika mbola resaka hafa!


RAHA ATAO KAJY AMBANY
Andeha atao hoe: ho an’ny mpiasa tena itsy ambony, fa raha mbola atao kajy ambany kokoa aza io tena mbola henjana ny fatiantoka. Ny lalàna dia mamaritra fa 250 000Ar ny karama farany ambany amin’ny asa, 8ora eo isan’andro ny ara-dalàna, ao anatin’ny 5 andro iasana 40ora, anatin’ny iray volana 160ora, izany hoe: 1562,5Ar isan’ora. Raha very adin’ny 5 isan’andro izany efa 7812,5Ar, anatin’ny iray volana efa 156 250Ar, herintaona 1 875 000Ar, kajy tena ambany io.
Toky R
 

Dans la même rubrique