airtel

Fifamoivoizana

13-mars-2024

Fitsarana fiarakodia

Nampiditra 3 miliara Ar mahery ny DGSR, mikolay ny mpitatitra…

Sample post image

Notanterahina omaly 12 martsa ny fifamindram-pahefana teo

13-mars-2024

amin’ireo Tale Jeneraly teo aloha teo anivon’ny Foibe Fitsarana fiarakodia na ny DGSR ny Jeneraly KASSIMO Arona Besony sy ny Tale Jeneraly vaovao Jeneraly RERIBAKE Jeannot. Nanomboka ny septambra 2021 no nitantana ny DGSR ny Tale Jeneraly teo aloha, ka ny nahatratra 311754 ny fiara vita fitsirihana ny 2021, ary 333 032 ny taona 2023, raha ampahan’ny tatitra nataony. Nanomboka ny janoary 2024 ny fampiharana ny fanintsiana ny sandan’ny fitsirihana izay nankatoavin’ny filankevi-pitantanana, ka nampiditra vola 3 381 139 000 miliara Ar ny DGSR nanomboka ny janoary 2024 hatramin’ny 10 martsa lasa teo, hoy ny Jeneraly Kassimo Arona Besony. Nisy fiakarany 27,93% noho izany ny vola niditra tamin’ny DGSR. Nomarihin’ny Tale Jeneraly vaovao Jeneraly Reribake Jeannot kosa, fa orinasa mahaleotena fa tsy misy fanampiana ara-bola avy amin’ny Fanjakana ny DGSR ka izany no nampiakarana hatrany amin’ny 100% ny saran’ny fitsirihana fiara, izay nolazainy fa tamin’ny 2017 no nisy fiakarana farany. « EPIC (Etablissement Public à caractère Industriel et Commercial) ny DGSR, tsy misy fanohanana avy amin’ny Fanjakana na ny Ariary azy, ka ny fandaniana sy fampidiram-bola dia tsy ny avy amin’ny Tale Jeneraly ihany no manapaka fa misy filankevi-pitantanana, ary ny zavatra tapahana dia ankatoavin’ny filankevi-pitantanana ary hoentina amin’ny Minisitera mpiahy dia ny Minisitera delege ho an’ny zandarimaria sy ny Minisiteran’ny fitantanam-bola. Nambara fa nampifanarahana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana satria mitombo ny fandaniana toy ny solika, Jirama, taratasy,… », hoy io Tale Jeneraly vaovao io. Ny fiakaran’ny sandan’ny fitsarana fiara anefa no isan’ny lasa ambana hiakaran’ny saran-dàlana izay miantraika amin’ny vahoaka, raha tsy hilaza afatsy ny efa nananambanan’ny taksibe teto Antananarivo hampiakatra saran-dàlana ny janoary teo. Ny volan’ny FR (Fonds Routier) tangosana tsy tapaka amin’ny alalan’ny vidin-tsolika kanefa làlana etsy andaniny tapitra potika tsy voakojakojan’ny Fanjakana, izay manafaingana ny fahasimban’ny fiara,… Tsy misy tamberiny ho an’ny mpitatitra sy mpampiasa fiara, raha tarafina amin’ny kalitaon’ny fotodrafitrasa ! Nambara moa fa misy sampana miady amin’ny kolikoly, saingy hanamafy ny firotsahana amin’izany ny Fitaleavana jeneraly. Hatao vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly ary hotohizana ireo ezaka efa natomboka indrindra ny fanatsarana ny orinasa sy ny kalitaon’ny asa omena ny mpanjifa, hoy ny Tale Jeneraly vaovao. Hamafisina torak’izany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fandriam-pahalemana an-dalambe, Vondron’ireo mpitatitra na koperativa, sy fikambanana samihafa toy ny mpitondra moto mendrika,.. Nambara fa ho tsinjovina manokana koa ireo mpanjifa sahirana ara-potoana amin’ny andavanandro ka asina ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia iray izay mpiandry raharaha isaky ny sabotsy manomboka ny faha-16 marsa 2024, ho avy izao eto Antananarivo izany.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap