airtel

Fifamoivoizana

02-juil-2026

Fly Over Anosizato

7 taona tsy nety nanomboka,

Sample post image

nofohazina indray…

02-juil-2026

Nohamafisina indray ny fiomanana amin’ny fanombohana ny asa fanorenana ny Fly Over Anosizato, tetikasa efa niverimberina hatrany ny filazana fa hanomboka, nefa mbola tsy tanteraka. Ny fivoriana notanterahina ny talata 30 jona 2026, tao amin’ny efitrano fivorian’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, Anosy, no nanamafy izany indray. Nitarika izany ny Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, Andriamatoa RASOLONIRINA Yves, niaraka tamin’ireo Tale isan-tsokajiny sy ireo manam-boninahitra avy amin’ny sampan-draharaha maro, nifantoka tamin’ny fandrindrana ny fanatanterahana ny tetikasa ny fivoriana. Na dia eo aza ny fanombohana asa, navoitra fa tsy hikatona tanteraka ny lalana mandritra ny fanatanterahana. Hisy fandrindrana manokana ny fifamoivoizana sy fanokafana lalam-piviliana eo amin’ny RN1 mba hampihenana ny fahasahiranan’ny mpampiasa lalana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fanatsarana ny lakan-drano sy ny famindrana ireo tambajotran’ny JIRAMA ary ireo fotodrafitrasa hafa voakasika. Efa ho 7 taona raha kely no niresahana an’io, izay tao anatin’ny fitondrana Rajoelina no isan’ny naderadera ny makety, ary natao fitaovana nanaovana propahandy. Ny taona 2023, nisy fifanarahana ara-bola, nanamafisana indray ny tetikasa tamin’ny alalan’ny fifanarahana niaraka tamin’ny BADEA, niresahana famatsiam-bola 31 tapitrisa dolara. Ny 2024 – 2025 Nisy antso tolo-bidy na « appel d’offres » imbetsaka, saingy tsy nahomby. Ny voalohany tsy nahafeno fepetra, ny faharoa nahazo kandida iray monja ka nolavina. Naverina indray tamin’ny aogositra 2025. Aty amin’ny 2026, misy fiomanana indray ka niresahana fandrindrana sy ny fiomanana amin’ny fanombohana asa, saingy mbola tsy tena raikitra ny asa. Asa ho tanteraka amin’ity indray mitoraka ity ve ny fanombohana asa, sa mbola ho fanambarana tsy raikitra indray?
Toky R
 

Dans la même rubrique