Saika hoentina hatao fitsirihana ara-teknika (revision technique) aty Antananarivo izy io, izay fiaramanidina marika MX-T7 an’ny Kaompania Sifor, mitondra ny laharana 5R-MIV. “Rehefa nanidina 68 km dia nisy menaka nivoaka tamin'ny motera ary niparitaka tamin'ny fitaratra ka voatery nidina an-tery tao Itapera, tanàna kely akaikin'ny Seranan’i Ste Luce, manakaiky ny lalam-pirenena RN12A. Olona roa no tao anatiny, mpanamory avokoa, ary tsy nisy ny maty na ny naratra”, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny AVC (Aviation Civile de Madagascar) jeneraly Rabetokotany tamin’ny haino aman-jery omaly. Vao ny 23 janoary lasa teo no nisy ilay lozam-piaramanidina nahatsiravina nahafatesana mpanamory vao 25 taona, ary nisy trangana loza indray izany omaly, fa ny zava-dehibe dia tsy nisy ny aina nafoy sy ny fahapotehana be.
Toky R
Fiara tsy mataho-dalana miloko fotsiny no nifatratra teny an-tanimbary omaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora