airtel

Fifamoivoizana

02-févr-2023

Fifamoivoizana

Governemanta Hiala tsy ho ela ny Minisitry ny fitaterana?

Sample post image

Voafidy ho filohan'ny Filan-kevim-pitantanan'ny ASECNA (Agence pour la Sécurité de la Navigation aérienne en Afrique et à Madagascar) ny ministry ny fitaterana sy ny famantarana ny Toetrandro, Rolland Ranjatoelina, araka ny voka-pifidianana natao ny talata 31 janoary teo.

02-févr-2023

Solontenan'ny firenena 18 mpikambana ao anatin’ny ASECNA nandray anjara tamin’ny fifidianana ampitain-davitra na «Visioconférence ». Ny 30 aprily izao no ho lany tanteraka ny fe-potoana iasan’ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana na PCA am-perin’asa, ka tsy maintsy handray ny asany ny 01 mey izao ny PCA vaovao, izay hitana io andraikitra io mandritra ny 3 taona. Marihina fa mitsinjara amin’ny faritra miisa 6 izay mandrindra ny fifamoivoizana an’habakabaka (Antananarivo, Brazzaville, Dakar Océanique et Dakar Terrestre, Niamey ary Ndjamena) ny ASECNA. Izy no manara-maso ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena miisa 76 miampy ireo seranana rejionaly ao amin’ny tanin’ireo firenena mpikambana aminy. Araka ny lalàna mifehy ny ASECNA dia mila manao safidy izy na hijanona ho ministra na handray ity andraikitra vaovao ity. Hijanona ho minisitra hatramin’ny farany ve Atoa Roland Ranjatoalina sa hisafidy ny hisintaka ho any amin’ny ASECNA izay handraikitra vaovao mandritra ny 3 taona ?
FIFANOLANANA NAFANA
Azy ny fanapahan-kevitra, fa raha ity fitondrana ity aloha dia herintaona eo sisa raha be indrindra ny toeran’ny minisitra iray. Toa vao niainga rahateo dia efa gidragidra sy tsy fitovian-kevitra no nitsena ity minisitra ity tao amin’ny Minisiteran’ny fitaterana. Nisongadina ny raharaha Air Madagascar sy ny Madagascar Airlines, izay nampifanolana azy tamin-dRtoa Rinah Rakotomanga. Ity farany izay efa nofoanan’ny Minisitra ny fanendrena azy, saingy tsy nihontsona teo. Tonga hatramin’ny hoe : hakatony ny Madagascar Airlines fa tsy ara-dalàna, ary nokianiny mafy fa ny fitantanana tsy manjary ny Air Madagascar no nahapotika azy. Tsy nipetra-potsiny fa namaly bontana ny ankilany, ary nampahatsiahy fa ity Minisitra ity no isan’ny fositra tamin’ny tetezamita nampiditra fiaramanidina maty kapoka. Toa samy naka ho azy teny! Nangingina ny fifandonana, saingy toa nandeha ny tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Ny volana aogositra 2022, ohatra, dia nilaza Atoa Roland Ranjatoelina fa an-dalana ho banky ropitra tanteraka ny ADEMA (Aéroport de Madagascar) sy ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) vokatry ny tsy fandrotsahan'ny Madagascar Airlines tamberim-bidy na "redevances aéroportuaires" tokony horaisina mivantana amin'ny vola miditra amin'ny tapakilan'ny fiaramanidina. Vao tsy ela ihany koa no nilaza fa nisy ny maika tsy faingana tamin’ny fifanarahana tamin’ny Orinasa brezilianina Ambrayer mikasika fanofana fiaramanidina. Hisintaka lavidavitra ary ve izany Atoa Roland Ranjatoelina rehefa karazan’ny tratry ny rano dikain’ny zinga hatrany?
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap