amin’izao fotoana izao, raha araka ny vaovao azo. Na ireo fiara matanjaka toy ny 4x4 aza miala maina, antony tsy hisian’ny taxi-brousse mampitohy ireo faritra roa ireo intsony raha tsy indray mandeha isan-kerinandro ihany. Tafakatra 80.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray vokatr’izany raha 800 Ar ny mitondra ny entana iray kilao. Ho an’ny moto indray dia tafakatra 300.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray saingy na izany aza mbola maharitra ora 7 eo ho eo no hamitany ny lalana 95 Km. Adin’ny 10 kosa no hanaovan’ny fiara izany raha haingana indrindra. Mahatsiaro ho sahirana tanteraka ny mponina vokatr’izany. Manampy trotraka io tsy fahafahana mivezivezy firy intsony io ny fidangan’ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Tafakatra avo roa heny avokoa ny vidin’izany hoy ny vaovao ka mila tsy hihinan-kanina intsony ny mponina. Nomarihin’ireto farany moa fa efa maro ihany ny antso avo nataon’izy ireo tamin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony maro isan-tsokajiny sy ny Fitondram-panjakana saingy toy ny antso an’efitra daholo ihany izany ka miraviravy tanana tanteraka izy ireo.
Pati
Legende : Ratsibe tahaka izao ny lalam-pirenena RN 14 A!
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»