Ho an’ireo niazo iny lalam-pirenena voalohany iny toy an’Ambatomirahavavy sy Imerintsiatosika ohatra dia tena nampikolay ny mpandeha tokoa ny nataon’izy ireny omaly. Nampiakarin’ny mpamily sy ny mpanampy azy ho avo roa heny amin’ny tokony ho izy mantsy ny saran-dalana, raha vantany vao nilatsaka ny ranon’orana omaly tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Lasa 3.000 Ar ny saran-dalana 1.500 Ar. Ankoatra izay dia mbola familafilana be ihany koa ny nahazo ireo mpandeha toy ny hoe : midina avy hatrany izay tsy mana-madinika, tsy tafiditra izay mirongo ankizy sy be entana…. Ho an’ireo tsy nanana fahafahana ny nandoa io saran-dalana io moa dia voatery nandeha dia an-tongotra avokoa izy ireny. Nanadala mafy rahateo ihany koa ny fitohanana teny amin’iny lalana mivoaka sy miditra ny lalam-pirenena voalohany iny omaly ka saika nitovy ihany ireo nandeha taxibe sy ireo nandeha dia an-tongotra. Natao adin’ny 4 ora teo ho eo Imerintsiatosika nivoaka an’Ampitatafika. Tsiahivina moa fa misy hatrany ny fanararaotana hataon’ny taxibe rehefa fety tahaka ireny ny andro. Tokony hisy hatrany araka izany ny arofanina apetraky ny tompon’andraikitra ho fiarovana ny mpanjifa.
Pati
Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.