nihotsahan’ny tany tamin’ny ranon’i Tsiribihina ny alin’ny talata teo tokony tamin’ny 11 ora alina tao Tsarahotana. Nitondra olona hatrany amin’ny 70 moa ity kanoto ity ka 18 no maty ary 12 no velona ; mbola maro ireo tsy hita, raha ny tatitra omaly atoandro avy any an-toerana nentin’ny fampahalalam-baovao iray. Somary nifamahofaho satria ny tatitry ny APMF (Agence Portuaire, Maritime et Fluviale), foibe eto Antananarivo kosa namoaka fa, niainga tao Belon'i Tsiribihina ny talata faha-12 novambra 2024 tamin'ny 11 ora atoandro nitondra olona 20, razana 02 ary entam-barotra milanja 04 taonina ilay kanota. Nandray mpandeha 06 fanampiny ary nijanona teo Tsarataona tamin'ny 10 ora alina, niandry ny andro ho maraina hahafahana manohy ny dia ny lakana. Tamin'ny 11 ora alina sy 40 minitra dia nisy ny fihotsahan'ny tany izay nanototra ny kanoto niantsona teny amoron-drano. Maty tsy tra-drano ny olona 16 tao anatin'ny kanoto (vehivavy 09 sy lehilahy 07), ireo olona 10 hafa kosa dia avotra soa aman-tsara. Somary nifamahofaho izany ny isa hoe : firy marina ny mpandeha ? Nivory maika ireo tompon’andraikim-panjakana tao Menabe izay notarihin’ny Prefet an’i Morondava, Lehiben’ny distrika, ny mpitandron’ny filaminana sy ny talemparitry ny fitaterana sy famatarana ny toe-trandro, ny avy ao amin’ny APMF ka nodinihana ny fepetra raisina amin’ny fampiasana Kanoto sy ny fitaterana amin’ny ankampobeany ary ho sokafana ny fanadihadiana. Betsaka ihany ny fanontaniana manitikitika amin’ny tranga tahaka itony hoe : tena ara-dalàna amin’ny lafiny rehetra ve ilay fitaterana anaty rano ? Misy ve ny taratasy fanamarinana mazava na ny fahafahana miainga na ny isan’ny mpandeha sy ny mombambomba azy ? Fantatra mazava ve ny isan’ny mpandeha sy ny mombamomba azy ? Ny ranon’i Tsiribihina rahateo masika voay ka asa tena fantatra mazava ve ireo mpandeha sa sanatrian’ny vava mety misy very faty tsy hita popoka any ? Matetika betsaka ny goragora, ekena fa ny loza tsy mampiomana,ary tsy finiavana hitsikera, saingy matetika rehefa misy zava-doza mahatsiravina tahaka itony vao mikoropaka ny manam-pahefana amin’ny filazana fa handray andraikitra.
Toky R
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»