ao anatin'ny distrika Anjozorobe. Efa am-polo taonany maro no mitoka-monina ity kaominina ity rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Tany amin'ny 2 taona lasa anefa dia mbola azo lazaina ho azo aleha ihany io lalana io ary mbola azon'ny fiarabe izorana ihany raha mbola mirotsaka in-droa na in-telo ny orana. Tao anatin'ny 2 taona farany anefa, simba tanteraka ny lalana ka raha vao mirotsa indray mandeha monja ny orana dia efa tsy azo aleha intsony. Hatramin'ny fiandohan'ny volana febroary izao dia tsy afaka miasa intsony ireo fiarabe mpitatitra olona mampifandray an'Antananarivo sy Ambatomanoina. Mbola tsy azo heverina mihitsy, hoy ireo mpamily ireo fiara be ny hiverenan'ny fampiasana io lalana io ami'izao toe-trandro izao satria potika tanterana ny lalana ,tsy misy ampahany azo ampiasaina intsony. Tao anatin'ny andro vitsy tsy nisian'ny orana izao dia ireo "camion double pont" mpitondra entana ihany no nanadrana nandeha. Kaominina isan'ny mamokatra ato anatin'ny faritra Analamanga Ambatomanoina kanefa manahirana ny famoahambokatra noho io haratsian'ny lalana io. Isan'ny mampalaza azy ny Mangahazomaina,tsaramaso ,tongolo sy ny maro hafa. Na amin'ny fotoan'ny maintany aza mantsy dia tsy afaky ny fiara madinina ny lalana ha tsimaintsy ny camion ihany no miaza. Tsy mifanaraka loatra amin'ny halavirana ihany koa ny saran-dalana satria tsy ampy 100 km akory kanefa dia mandoha 20 000 ar ny olona iray.
Solotiana
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»