iray maty, 4 arahi-maso
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny atsimon'ny pilone (route secondaire ho any Ambohitratenaina) Imerintsiatosika ny alin'ny Alatsinainy 09 novambra teo tokony ho tamin'ny 07 ora hariva. Moto cross roa no nifandona mafy izay marihana fa samy tsy nisy nanao aroloha avokoa ireo nitondra azy. Mbola nanao taingin-telo ihany koa ilay moto ankilany hoy ny vaovao azo. Vokany, lehilahy 01 no maty tsy tsa-drano raha mbola arahi-maso akaiky kosa ny toe-pahasalaman’ireo 4 ambiny. Manoloana ny lozam-pifamoivozana nifanesy tato ho ato dia manao antso avo ny amin’ny tokony hanajana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana hatrany ny mpitandro ny filaminana. Tafiditra ao anatin’izany ny tokony hanaovan’ireo mpitondra moto aroloha sy tsy tokony hitondrana olona mihoatra ny iray. Efa nisy ihany koa mantsy ny zaza nipitika avy eny ambony moto rehefa notazonin-dRainy avy aoriana ka namoy ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay moto !