fianakaviana ny Minisitra Sendra Nirina Rajaonarison
Tonga niray fo sy nankahery ny fianakavian’i Niriantsoa Anael, ilay zazavavy kely vao 6 taona monja anisan’ny namoy ny ainy voahitsaky ny kamiao teny amin’ny Fokontany Akany Sambatra Itaosy omaly ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sendra Nirina Rajaonarison. Nandritra izany no nitondran’ny Ministra teny fampaherezana sy fanampiana ho azy ireo. Tsiahivina moa fa mpianatry Au Beau Lieu i Anael. Anio Alarobia 11 Novambra no alevina any Ambatolampy Amboaroy ny nofo mangatsiakany rehefa avy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra farany ao amin’ny fiangonana FJKM Ambatolampy. Mbola ho avy hanotrona izany ny mponin’Itaosy izay efa nanatanteraka diabe fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'ireo zaza nodimandry omaly folakandro. Tafiditra tao anatin’izany ny fanairana ny tompon’andraikitra mikasika ny loza mateti-pitranga eo amin’ny Fokontany Akany Sambatra Andranonahoatra ka tokony handraisana fepetra. Toraka izany koa ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana hisorohana ny loza mety hitranga sy ny fitohanana mampitaraina lava ny mponina.
Pati
Legende : Ny Ministra nihaona mivantana tamin’ny fianakavian’ny maty !