airtel

Fifamoivoizana

13-janv-2023

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha 35 Tapaka mandritry ny fotoana voafetra

Sample post image

Nampandre ny rehetra, indrindra, ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha 35 mampitohy an’I Malaimbandy sy Morondava omaly ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy fa noho ny fanamboarana

13-janv-2023

maika ny tetezana eo amin’ny PK 358+900 eo Behintsy, ao amin’ny kaominin’Ankilizato, distrikan’I Malaimbandy, faritra Menabe dia ho tapaka ao anatin’ny fotoana voafetra ny fifamoivoizana. Rahampitso sabotsy 14 janoary manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny alahady 15 janoary amin’ny 6 ora hariva izany fahatapahana izany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tsy misy familian-dalana azo atao mandritra io fotoana io. Ny minisitera dia mametraka fialan-tsiny mialoha amin’ny mety ho fanelingelenana ary manentana ny mpampiasa lalana mba hanaraka ny toromariky ny tomponandraikitra eny an-toerana, hoy hatrany ny fampahafantarana natao omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique