airtel

Fifamoivoizana

04-févr-2026

LALAM-PIRENENA

FAHAFITO

Sample post image

Misy am-pahan-dalana mihotsaka, tsy afaka mandeha ny fiara vaventy

04-févr-2026

Misy am-pahan-dalana mihotsaka any amin'ny lalam-pirenena fahafito mandeha mianatsimo. Karazana tetezana izy io hoy ny vaovao. Eo amin'ny teboka halaviran-dalana PK 237, kaominina ambanivohitr'i Tsarasaotra, distrikan' Ambositra no misy azy. Tsy misy afaka mandeha ireo fiara vaventy vokatr'izany fa saika matahotra avokoa. Eo an-daniny ahiana ho tapaka tanteraka ilay lalana raha terena, ny andro rahateo fahavaratra. Manaitra ireo tompon'andraikitra araka izany ireo mpampiasa lalana mba hijery akaiky ity tetezana mihotsaka ity hisorohana ny mety hisian'ny fahatapan-dalana tanteraka. Tsiahivina moa fa vokatry ny ora-mikija nateraky ny fandalovan'ilay rivo-doza Fytia no nitarika io fihotsahan'ny tetezana any amin'ny lalam-pirenena fahafito izao.
Pati
Légende : Tahaka izao ny fihotsak'ilay lalana ! Sary indrana
 

Dans la même rubrique