airtel

Fifamoivoizana

12-janv-2023

Fifamoivoizana

Làlam-pirenena tsy noraharahiana Sesilany ny loza, sarotra ny fanarenana

Sample post image

Azo isaina amin’ny rantsan-tànana sisa ireo làlam-pirenena tena mbola tsara, fa ny ankamaroany potika tanteraka noho ny tsy fisian’ny fikojakojana. Saika ahenoana lozam-pifamoivoizana vokatry ny haratsian-dàlana avokoa ny

12-janv-2023

 làlam-pirenena rehetra, toy ny RN2 Antananarivo-Toamasina izay tonga hatrany amin’ny fanambaran’ireo Kamionera fa tsy hiasa manomboka ny 15 janoary, ny any amin’ny RN6 Ambondromamy-Antsiranana izay tena misy ny ampahany potika tanteraka izay efa an-taonany maro, ny RN 13 izay hatry ny ela no nampanantenaina hatao sy nanaovana fety aza tamin’ny jona 2022 saingy tsy hita izay vita, vao omaly no nisy fiarabe nivadika indray tao Betroka. Ny RN5A 160km sy ny ampahany amin’ny RN44 izay 40km no efa tena vita izay iadian-kevitra hoe: ny fitondran’iza marina no angady nananana an’ireny no vita, dia ireo no ezahina hanaovana dridrangilo hanakonana ny tsy fanjariana any amin’ny làlam-pirenena maro. Ampahany fotsiny ireny tanisaina ireny, fa saika manerana ny Nosy tsy misy tsy ahitana làlam-pirenena potika. Mampiteny ny moana, ohatra, ny RN10 mampitohy an’Andranovory hatrany Ambovombe. Tsy handeha lavitra fa eto Antananarivo tahaka ny etsy 67ha sy ny faritra sasany dia efa mampanongo tena ny fahasimban’ny làlana. Sandaina lafo ny fahapotehan’ny làlam-pirenena satria mampiakatra ny vidin’entana noho ny fiakaran’ny solika lany sy ny piesin’ny fiara mpitatitra. Ho sarotra ihany koa ny fanarenana ny fahasimbana tafahoatra,... Isan’ny nanamarika an’ity Fitondrana ity moa ny fitakian’ireo orinasa mpikojakoja làlana ny volany tsy voaloa, izay efa tena henjana ny fitakiana sy fitalahoana vao nisy nahazo ny azy ireo orinasa manodidina ny 300 isa, kanefa manodidina ny 50 miliara Ar ny volan’izy ireo tamin’izany raha be indrindra. Betsaka no nilaza fa fay, ary tsy hiditra amin’ny resaka tsenam-baro-panjakana fanaovan-dàlana aloha raha mbola amin’izao fitondrana izao. Vao niandoha ity Fitondrana ity, dia efa niahiahy hatramin’ny mpira-miombon’antoka hoe: hiteraka fahatapahan’ny fifanarahana ny fanovan’ny Fanjakana ny FER (Fond d’Entretien Routier) ho FR (Fond Routier) kanefa mbola nisy tetikasa mandeha. Nandeha avy eo ny ahiahy ara-pitantanana momba ny volan’ny FER ka asa hoe: natao inona tokoa fa ny zavatra hita miharihary aloha, dia tapitra potika ireo làlam-pirenena noho ny tsy fisian’ny fikojakojana ara-potoana. Ny tokony hokojakojaina sy hokolokoloina toa adino sy tsy raharahiana, ny nampanantenaina mahakely finoana satria ny resaka no lasa aloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap