airtel

Fifamoivoizana

31-janv-2024

LALAM-PIRENENA VOALOHANY

Kamiao feno vary nivadika, potika tanteraka

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena voalohany

31-janv-2024

afak’omaly Alatsinainy 29 Janoary tokony ho tamin’ny 08 ora hariva. Kamiao lehibe iray feno vary avy any Tsiroanomandidy hiakatra eto Antananarivo no nivadika ka potika sy simba tanteraka niaraka tamin'ny vary marobe noentiny. Raha araka ny fantatra dia nifanena tamina fiara lehibe iray izay saika nifandona taminy ity kamiao feno vary ity. Voatery niala io loza io ilay mpamily noho izany saingy nivadika ambony ambany indray ilay fiara nentiny rehefa naka sisiny. Tsy nisy naratra moa ireo olona miisa 3 tao anatiny raha araka ny fantatra ihany fa avotra soa ama-tsara avokoa. Mbola nitohy hatramin’ny omaly kosa ny fandraofana ireo vary tamin’ny gony very.
Pati
Legende : Nivadika ambony ambany tahaka izao ilay kamiao !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap