Miroso hatrany ny asa fanamboarana ny lalambe haingam-pandeha mampitohy ny Renivohitra sy ny Seranan-tsambo lehibe indrindra eto Madagasikara. Efa tonga hatrany amin’ny PK 72, eo anelanelan’Analabe sy ny Fokontanin’Antsahabe Est, ao Anjozorobe, ny asa amin’izao fotoana izao. Araka ny tatitra farany, 32 km no efa voarakotra tara, ary 64 km no efa vita tanteraka ny "terrassement". Nidina ifotony nijery sy manara-maso ny fandrosoan’ny asa ny ekipa teknika avy amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ny faran'ny herinandro teo, niaraka tamin’ny orinasa mpanatanteraka sy ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana. Ankoatra ny fanaraha-maso ara-teknika, nihaona tamin’ireo mponina tao Antsahabe ihany koa ny delegasiona. Nentina tamin’izany ny fanazavana momba ny tetikasa sy ny fiantraikany amin’ny fananana sy ny tanimbarin’ny mponina. Nohenoina sy novaliana avokoa ireo fanontaniana sy ahiahy nipoitra hoy ny tatitra. Tetikasa izay heverina fa goavana ho an’ny fampifandraisana sy ny fampandrosoana ara-toekarena ny Voie Rapide Antananarivo–Toamasina. Mirefy 264km eo, izany hoe fohy sy akaiky kokoa mitaha amin'ny RN2. Asa rahoviana no ho vita 100% ? Hanamora ny fivezivezena, hanatsara ny fifandraisana ary hampitombo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny Renivohitra sy ny Faritra Atsinanana. Ny herinandro teo, nisy ny fihaonan'ny Mpiandraikitra ambonin'ny orinasa SAMCRETE Karim Saad sy ny CEO Sherif Nazmy tamin'ny Minisitry ny asa vaventy Rafefimanana Sambilason Richard. Nivoitra fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Egypta. Naneho ny fahavononana feno amin’ny fanatanterahana, araka ny tokony ho izy, ny tetikasa fanamboarana ity "voie rapide" mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ity, izay iandraiketany ity orinasa egyptiana SAMCRETE ity. Nasongadina nandritra ny fihaonana fa fiaraha-miasa mifototra amin’ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy tanteraka ny tetikasa. Maherin’ny 1 000 ny mpiasa Malagasy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny asa, raha manodidina ny 80 ny mpiasa Ejipsianina. Ankoatra ny fanamboaran-dalana, dia manome lanja manokana ihany koa ny fitsinjovana ny mponina sy ny fampandrosoana ireo kaominina sy fokontany lalovan’ny tetikasa, amin’ny alalan’ny asa sosialy isan-karazany ny Orinasa.
Toky R