airtel

Fifamoivoizana

03-juil-2023

Fifamoivoizana

Lalamby Anosibe Tapaka ny fen’ilay lehilahy voahitsaky ny lamasinina

Sample post image

Zava-doza no nitranga tetsy amin’ny lalamby Anosibe, ampitan’ny orinasa Colas omaly tolakandro. Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo,

03-juil-2023

voalaza fa mamo no tsy nahare na inona na inona raha nandalo ny lamasinina ka voahitsaka ary tapaka ny feny. Nisava tsy fidiny ny toakan’io lehilahy io vokatry ny fanaintainana nahazo azy raha tsy afa-nijanona kosa ilay lamasinina, antony hampanenoan’izy ireny klakisaona tsy an-kiato raha vantany vao miala lavitra izy. Ora maromaro no lany nisikotra ity lehilahy tra-doza ity, ary hita fa tena nijaly izy hoy ireo nanatri-maso. Mbola afaka niresaka tsara izy nandritra izany izay nambaran’ireo nanatri-maso fa mbola nahenoana fofon-toaka. Tonga teny an-toerana nandamina ny polisim-pirenena satria somary niteraka fitangoronana sy savorovoro ity tranga ity. Efa nentina nanatona ny hopitaly moa izy mba hanaraka fitsaboana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

Card image cap