ary ny Kaominina Antanetibe Mahazaza ny « Lalan'ny atody ». Natomboka ny taona 2018, tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina izy io, vokatry ny fanampiana avy amin’ny governemanta Sinoa, ary novitaina tamin’izao fitondrana izao na somary nisy fahatarana aza ny famitana azy noho ireny valan’aretina Covid-19 ireny. Maro ireo tanin’olontsotra nalain’ny fanjakana nahafahana nanamboatra sy namitana ny lalana, ho tombontsoan’ny besinimaro. Mandraka ankehitriny anefa dia voalaza fa tsy mba nahazo fanonerana ara-bola izy ireny ka mitaraina. Tsy hitan’ny olona izay haleha, satria dia “ariraran’ny fanjakana fotsiny”, hoy ireo voakasika rehefa mba mitaky izany izy ireo. Vokatr’io dia milaza ho tsy manam-bola ireo mpanana sarety kodiaram-by, mba hanoloana ho kodiarana fiara ny sarety kodiarana tanamasoandro mifono vy, na efa nomena fe-potoana nanatanterahana izany aza izy ireo. Nisy fotoana nitokona teo Mahitsy ireo tsy nahavita nanova satria hoe tsy manam-bola. Ny tompon-tsarety ihany koa tsy manaiky ny tsy hamelana azy ireo tsy handeha. Izay koa ve no tsy mbola nitokanana ka nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fahavitan’io « Lalan'ny atody » io.
Jean D.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny