Namboarin’ny Faritra Analamanga ho rarivato tanteraka ny lalàna 600m mizara roa 200m sy 400m eny Ambohipo isan’ny mampijaly ny mpianatra, ny mponina, ny mpivavaka,… ka notokanana omaly 10 septambra 2026. Nankasitraka ny finiavan’ny Faritra ny manam-pahefana isan-tsokajiny tahaka ny Delegen’ny Boriborintany faha-2 sy ny Lehiben’ny distrikan’Antananarivo, izay nampahatsiahy sy nanentana ny olom-pirenena hanaja sy hikahy izany, ary maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany. Ny Boriborintany faharoa izay tsy vao izao no nomen’ny Faritra Analamanga tantsoroka fa efa nisitraka fanohanana hafa toy ny fampitaovana ho an’ny andrimasompokonolona. Mikasika ny fanamboarana làlana : mizara telo mazava ny andraikitra, ka eo ny Kaominina Antananarivo, ny Fitaleavam-paritry ny asa vaventy, ary eo ny Faritra Analamanga. Ny fikojakojana sy fanetsenana ny lavaka no tena iantsorohan’ny Faritra Analamanga, saingy misy ihany ireo tsy niononana tamin’izany fotsiny, fa tena nisy ampahan-dalana ngezangeza namboarina tanteraka toy ny teny Andranomena fiantsonan’ny 194, làlana Ambodimita miazo ny digue, ny teny 67 ha, hoy ny Lehiben’ny Faritra Rtoa Clémence Raharinirina. Mirindra ny asa ary misy fifampiresahana hatrany eo amin’ny telo tonta, toy ny hoe misy làlana lehibebe mety tsy vitan’ny kaominina kanefa mety manana fahafahana ny Faritra Analamanga dia tanterahanay satria tanjon’ny telo tonta ny fanasoavana ny vahoaka izay mandoa hetra, hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Ity farany izay nanentana ny vahoaka handoa hetra satria amin’ny alalan’ireny no hanaovana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka. Eo amin’ny 1 miliara Ar eo ny 1km amin’ny lalana tara, raha ny antsasak’izay ho an’ny lalana rarivato, ka ahafahana hetaheta maro kokoa ny manao lalana rarivato ho an’ny Faritra Analamanga izay tsy manao lalana vita tara mihitsy, fa manapina ny simba. 10KM eo ny vinavina ho an’ny taona 2026 ho an’ny Faritra Analamanga, izay notsorin’ny Lehiben’ny faritra fa tena kely, saingy izay aloha no zakan’ny tetibola. Ankoatra ny fizarana fitaovana ho an’ny andrimasom-pokonolona kosa, manana tanjona hizara jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro,… Faritra Analamanga izay vao avy nizara fitaovana toy ny simenitra, fanitso, loko ho an’Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo.
Toky R